Tout Madagascar en un clic

Aller au contenu du Forum

Madatsara Forum de discussion

Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches

Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.


Écrire une nouvelle réponse

Madatsara Forum de discussion » Malagasy » Solontsaina » Écrire une nouvelle réponse

Écrire une nouvelle réponse

Écrire et envoyer votre nouvelle réponse.

Vous pouvez utiliser: BBCode Émoticônes

Tout les champs identifiés par (Requis) doivent être complété avant que le formulaire soit envoyé.

Information requise pour les invités


Pour éviter les messages abusifs, nous vous remercions de saisir ce que vous voyez sur cette image ci-dessous dans le champ de saisie en dessous. Si cette image vous semble illisible, vous pouvez cliquer sur le bouton Actualiser pour en générer une autre.

Information requise
Préférences optionelles pour les messages

Examiner les discussions (La plus récente en premier

7

Ny malagasy no saro-tiavina no tena marina e! Vao mba mahita rirany kely dia miseho ho katolika alohan' i Papa.Ohatra iray no omeko anao (rakotomanontany), inona no tokony handikana ny "prison"?Tranomaizina ve?Ka angaha izany tranomaizina izany tsy maison sombre?Samy hafa ny dikan' ny tranomaizina sy tra no maizina tompoko. Ny tranomaizina, rehefa nakambana dia dikan' ny hoe "prison" fa trano maizina no andikana ny maison sombre. Dia toy izay koa ny solosaina (ahitsiko ianao, solosaina no izy fa tsy solontsaina, ary ninianao nodisoina angamba izy io mba hahamarimarina izay lazainao), samy hafa ny solosaina sy ny solon-tsaina. Ny solon-tsaina dia tsy misy aloha hatramin' izao, satria tsy misy fitaovana afaka anovana ny saina (nefa efa ho avy ny intelligence artificielle izay mety haka io voambolana io). Raha adika teny vahiny ny solon-tsaina dia manome hoe "substitut de cerveau". Ny solosaina kosa dia raisina sy (tokony) eken' ny rehetra fa dikan' ny ordinateur.Ireny kamban-teny ireny dia tsy natao hosarahina dia adika tsirairay intsony.Mbola azoko omena kamban-teny maro ianao toy ny hoe varavarankely (fenêtre) izay tsy azonao adika hoe "petite porte" mihitsy.Dia mba manantena aho fa mba hisy aloha ny ho resy lahatra amin' izay ka tsy haniratsira ny akademisiana intsony hoe diso ny solosaina e, diso ny haiady e, ...http://malagasy.dotmg.net/malagasy/validator?check=referer

6

ny computer any dago dia p1 p2 p3 p4 sa ahoana

5

mihevitra ny malagasy ho maivan-doha tokoa ny ao amin'ny akademia malagasy ( ireo mpandika teny ) ka solontsaina no andikany ny ordinateur na computer  Dia tena tsy valahara tokoa nareo miseho ho manam-pahaizana ireto ka manao tsinotsinona ny malagasy sy ny tenindrazana an!

4

Soso-kevitra iray no hany azoko aroso @ ity resaka "dinatera" "solosaina" ity.Tsara raha samy manome izay heveriny,manolotra dikany ny tsirairay.Dia avy eo ankinintsika @ Madatsara ny fandrindrana ny ady hevitra afaka volana vitsy. Hita @ izay ny dikany rehetra. Dia fidiana any aoriana izay manakaikikaiky kokoa. Izaho aloha tsy mbola manana aroso. Toy izay koa angamba no tsara natao t@voalohany,asa izay eritreritr'ireo nanohana ny"fanagasiana" taloha, io farany iokoa mbola azo hiadina-kevitra.

3

isika rehetra eo ampitadiavana ny teny gasy madio mba tsy hiteny variaminanana na variaminakotry. Tsy mbola misy teny ôfisialy raikitra momba izay ilazana ny "ordinateur, computer" hatramin'izao."Solosaina" aloha no tolotra voalohany fa tsy "solontsaina", tsy mitovy ireo teny ireo. Ohatra solomaso, solonify, mety ho avy koa ny solosofina, solotongotra na solotanana ho an'ireo izay tratry ny aretina na ny baomba. Ny solomaso ohatra tsy manolo ny maso ange fa manampy ahita, torak'izany ny solonify manampy hitsako na hitsiky fotsiny.Ary tsy azo lavina fa manampy ny saina ny "ordinateur" na "computer". Ka aoka samy hanolotra fa ny fampiasan'ny maroanisa azy no itazomana azy na tsia. Raha tsy lanin'ny vavonintsika ary ny solosaina, ahoana raha atao hoe Oridia? Rehefa tsy hita izay aleha (ory dia), velomy ny Oridia dia midira ao @ iGoogle e!

2

Izaho koa mba gaga tamin'ny namoahana io teny nanoloana ny ordinatera io. Nahita an'i Rakotomanontany nanoratra ny momba azy io aho vao tena nahatsapa fa tena marina fa manana hevitra tsy dia tsara loatra ny hoe"solontsaina" ka tokony hosoloina.

1

Rehefa avy nandrebireby saim-bahoaka tamin'ny solomaso ny mpamorona teny malagasy dia mbola mitady hamita-bahoaka ka ordinateur hono = solontsaina.Maivana loatra angamba ny sain'izy ireo ka ny ordinatera no nasolony azy.Ny saiko kosa aloha dia tsy ho soloiko ordinatera velively satria ny tenako dia mpanamboatra ôridinatera e!mpanampisaina no hitako mahadika azy fa tsy solon-tsaina velively

Madatsara Forum de discussion » Malagasy » Solontsaina » Écrire une nouvelle réponse



Haut de page

Madatsara - Tout Madagascar en un clic