Aller au contenu du Forum
Madatsara Forum de discussion
Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches
Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.
Discussions actives Discussions sans réponses
Écrire une nouvelle réponse
Écrire une nouvelle réponse
Écrire et envoyer votre nouvelle réponse.
Vous pouvez utiliser: BBCode Émoticônes
Tout les champs identifiés par (Requis) doivent être complété avant que le formulaire soit envoyé.
Examiner les discussions (La plus récente en premier
farany, mba aoka re isika Gasy mba tsy ho matikambo e, raha zohina nge de isika no dondrona indrindra alohan'ny farany raha toa ka misy ny tena farany dondrona e. Raha tsy dondrona isika tsy ohatranio ny firentsika, jereo nge, amin'ny teny gasy zao no hifampiresahana any M/car, nefa de tsy misy zavatra azon'ny gasy ze tena votoatin-dresaka, de maika moa @ teny frantsay. Mba mamaky gazy @ teny frantsy tany M/car ny tenako, de kirana tery zah, hoe "mba sarotra nama zany texte zany ka, mahita vocabulaire de tena tsy fandre zany ry zalahy mpanoratra, za nefa olona mipetraka aty Frantsa, zatra mihaino si miteny ary mamaky teny frantsay, de in no dikan'izany AH DE TENA MAHAY RANGA ZANY MPANORATRA ZANY KA, tsy ny message tiana ampitaina intsony no important, fa de ny toetra te ho deraina... MATIKAMBO,
Ny teny Gasy ve? mora nge no miteny gasy e, nefa hoetina makaiza? misy namana miteny etsy ambony hoe "ohatriny mihira isika gasy rehefa miteny", de avy eo maninona? izaho mpianatrin'ny EPP, avy eo CEG, LYCEE,ary de t@ teny gasy daholo ireo rehetra ireo. Tsoriko anao mpamaky ajaina fa tena lasa lesoka be na lasa fahalemena ho ahy ny miteny frantsay. Tany @ université tany M/car aho tsy de hitako firy zany lesoka izany, fa nony tonga teto frantsa aho, tena lazaiko anao, fa lasa raharaha manokana indray ny miteny frantsay.
Ka amiko de tsotra ihany, teny gasy de natao hifaneraserana samy gasy, fa ankoatr'izay tsy hitako loatra ze dikany.
Ny gasy efa tsy manana ninin, de ny teny sisa no tsy azo amidy, de io no tsotsofina tsy ho faty, ary zara aza mba nisy teny gasy tavela niangana.
...ina nefa no rarahina an'izany e.na gasy na francais na anglais.Matoa izy miteny misy antony zay.jpens kon parle francai pask on en a lhabitude surtou a ceux ki sont en France.C notre deuxieme language.Seriously alou I'm proud e!!a lot of people are amazed when they hear french.et pui, si les gens parle francai c pa vos onion koi.huh....
Manao ahoana daholo ry mpiray tanindrazana ,mahafinaritra tokoa ny fisainantsika gasy raha tsy manary ny tenindrazana nadia 50 taona taty ivelany aza,matetika reo taty aoriana no miseho azy tsy miteny ny teraka taty ivelany aza mahay miteny maika zay ianao efa nahary teny vao tonga aty tany lavitra aty .tsy dia we tsy fahaizana loatra fa ny fizestiavana no akamaroany,normal raha hiteny gasy rehefa mifankahita ny gasyny ao france ihany no miteny hafa io nefa raha vao hitenenan'ny gasy hafa any ivelany teny hafa dia mangina ,ny teny frantsay samy mahay na zaza vao kely aza fa aza eo imason'ny mahay teny hafa ianao no miresaka fa ny anao no takina eo
Indrisy tsy ao Paris fotsiny io toetra io! Azon’ny „Mpanendry“ @ „rambony“ ..... !!!Dia faly eo @ maha vazaha taratasy azy!
Indrisy tsy ao Paris fotsiny io toetra io! Azon’ny „Mpanendry“ @ „rambony“ ..... !!!Dia faly eo @ maha vazaha taratasy azy!
Ny ana ndray de tena resaka hafa mitsy;fa mba te alala ny toe-tsainareo gasy ao Paris ny tenako oe:"maninona no miavona na de samy gasy zao ary?"Tsy aiko aloha e!Sa efa mahavita tena irery ka tsy mila ny gasy mitovy @ tena tsony?Miarahaba ftsny no atao anie e?
ka zao no tena marina e na dia miteny frantsay aza anie de heno be mitsy le accent gasy e ka hay fona we tsy topony le teny e anga hita fa de sao mba lasa fotsy ihany koa anefa eo imasony vazaha anie ka maity fona e les blacks zany e
Izahay indray dia aty Toulouse no mpipetraka an an an Efa miha betsaka ny ankizy gasy tsy mahay teny gasy intsony ka ! Tokony io no asa sahanin'ny Consulat @ izao fotoana !
Manaoana aminy ziaby! Je suis malgaghe j'ai 17 ans et je vis a avignon. votre site est trop bien je suis contente d'avoir le privilège de pouvoir laisser un petit mot à tous les malgaches de France. j'ai habitée à Vatomandry(près de Tamatave).la vie à Mada est trop bien c'est le top...je serai ravi d'y retourner.Gros BISOUS à tous les MALGACHES.Fiadanana amin'ny nareo ziaby.
Miarahaba an-tsika rehetra, ny tenanay dia monina eto Paris ary tena gaga tokoa @ toen-tsaina ny gasy sasany monina eto. Toa henatra mihitsy izany ankizy miteny gasy izany, ny ahy 4 ny zanakay fa dia mahay miteny gasy daholona ary hampafantarinay azy ireo fa gasy foana izy na manana nationalité frantsay aza, koa tsara fantan-tsika ray @ dreny fa ny any hafa aza ianarana koa ny an'ny tena indray ve no hariana? tsarovy fa hanenina ianareo satria hanome tsiny ireo zanakareo hoe manino izahay no tsy mba nampianarinareo teny gasy!
Mazava be toy ny masoandrobenanahary fa ny R&R no mahatonga ny zaza tsy hiteny gasy intsony , ny anay ny ankizy miteny gasy satria tsotra fotsiny miteny gasy izahay ato an-trano
zay dia eto paris , fa ny ankizy dia ampitenenana gasy sy ampianarina ny fomba gasy , misy ihnay aloha ny gasy miseho ho vaza fa tonga dia lazainay hoe mba mitenena ny gasy e , ary ilain'ny ankizy io satria @zay izy mihevitra fa any ho any no tena fiaviny fa fandalovana ny eto
Marina daholo ireo tsikera teo aloha ireo, fa ny ankizy ao amin'ny fianakavianay mipetraka eto Paris tsy mahay miteny gasy, ireo ray aman-dreny mihintsy no tsy miteny gasy amin-janany, fa efa takaitra hatrany Madagasikara io manandratra sy mirehareha amin'ny tenin'ny hafa io, tarazon'ny fanjanahan-tany,koa mampirisika antsika aty ivelan'i Mada aho hiteny gasy isaky ny mifanena na dia tsy mifankahalala aza, fa io no tokony hifankahalalantsika aty.