Tout Madagascar en un clic

Aller au contenu du Forum

Madatsara Forum de discussion

Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches

Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.


Écrire une nouvelle réponse

Madatsara Forum de discussion » Malagasy » Malagasy miavona, 2ème partie » Écrire une nouvelle réponse

Écrire une nouvelle réponse

Écrire et envoyer votre nouvelle réponse.

Vous pouvez utiliser: BBCode Émoticônes

Tout les champs identifiés par (Requis) doivent être complété avant que le formulaire soit envoyé.

Information requise pour les invités


Information requise
Préférences optionelles pour les messages

Examiner les discussions (La plus récente en premier

23

Bonjour daholo,

Izaho aloha dia efa ela mihitsy no gaga @ ireo gasy vazaha ireo e! Misy rivotra maha-ratsy loha mihitsy angamba mitsoka any andafy any.
Namana ve? Havana ve? Mpiray tanindrazana ve dia hiavonavonanao? Fa dia nahoana mihitsy... Sa mitondra automobile tsaratsara ianao, dia mandray euro vitsivitsy sa manao villa misy piscine ao Paris?
Essssssse! aleo aho hihomehy!

Veloma tompoko

22

Manahoana daholo ho an'ny mpiray  tanindrazana aty andafiringa ,
Marina tokoa  fa  miavona  isika  Malagasy , miseho milay  nefa tsy dia mankaiza  , matahotra hidirana an-trano  , hangatahana ....sns dia izany  no mahatonga an'izany na ny  mpihavana aza tsy mifampiditra trano  nefa havana , manana  toe-tsaina ratsy  isika Malagasy tsy mba ohatry ny  tavaratra , afrikana mifanampy amin'ny rehetra  ilaina amin'ny fiainanana .
Rehefa misy fety  na olana na fahoriana dia mifanampy  ry zareo .
Raha tokony ho izy dia tokony hiray  isika nefa hatao ahoana , izay no fantatr'ireo  malagasy manao an'izany!

21

Miarahaba anareo ! za aloha de efa nahita ny haratsitoetran'ireo gasy sasany izay noheveriko fa namana taty andafy ka tena fay tanteraka e! aleoko ihany @ zao tsy manana namana gasy, raha hanao namana de namana vazaha !

20

manaona e ,inona ny vaovao ;ny gasy dia mpatsara velatsihy tsisy adihevitra ;nefa anie dia misy vendrana e sa ahoana hoy ianareo

19

manaôna daolo!
resaka toetsain'ny gasy angamba no resahana fa tsy mivoana otran'le ranamana eo ambony!
Tena mahalasa sainamintsy ny fihetsika sy ny toe-tsaintsika Malagasy:
tsy haiko hoe tena efa potiky ny fahantrana ve sa dia efa inono loatra?

Raha araka ny hevitro:
Ny ankamaroan'ny gasy raha vao miala ao Dago dia efa mihevitra oe tafita hany ka somary manainga soroka rehefa mba mifanena @nagasy hafa!...nefa ange ny ankamaroany dia tena zara raha mahatahiry kely e!znay oe maharaka ny zavtra rehetra en vogue kosa izy!

NY sasany mitsoaka gasy satria matahotra angamba izy oe andeha hangataka ilay gasy hafa???  hi!hi!hi
mampihomehy le izy fa misy de resahana!
fa ny tena gravy de somary mifamingampingana izay ilay Malagasy!
tena marina mihitsy ilay hoe:" ORY HAVA MANANA"
Na izany aza aefa dia misy ireo Gasy tena tia sy tena saro-piaro@ fihavanana fa tsy izay gasy rehatra aty an dafy akory dia mitovy daholo!!
mankasitraka e!!

18

Aza de be resaka nareo any andafy reo na hoe iavona fa tena mandreraka e! Tsy misy ohatran'ny eto Dago ihany ny fiainana. Sa rehefa any andafy de hiseo hoe inona? ... raha tsy faly na hoe raha tsy fiert ianao fa Gasy ny olona eto milamina tsara fa nareo anie any mba manandrama tsy mias e! de hisy kaly hiditra ao am-bavanao eo nefa aty an- tànana mamboly de voky tsara de ny dikan'izany aza miseo milay fa ny pokona rehetra mijanona eto Dago tsy gaigy daholo akory samy manana daholo raha vola no hijerena ny fiainan'ny tsirairay....
(Ce post a été modéré. Merci de tenir un langage respectueux sur ce forum)

17

Rehefa tsy mety ny mifanerasera mivantana de mifaneraserà amin'ny mailaka aloha e!
Za aty Belgique fa ny gasy nifanena tamiko aloha hatreto tonga dia miresaka tsara daholo, ny vadiko tsy gasy ary izy indray aza no tonga dia miteny gasy kely izay mba fantany ataony henon'izay olona hitany manana endrika gasy eo akaikinay eo dia tonga dia miresaka avy eo mety misy matahotra hiavonavonan'ny sasany koa angamba dia tsy sahy miresaka e

16

Manahoana daholo nareo, zaho mantsy gasy eto france.  Marina daholo ireo rehetra voalazanareo ireo, fa ny aty sarotra ny hiavanana amin'ny gasy.
Efa misy 4ans zaho no tonga ato fa dia mbola tsy manana namana hatramin'izao, izay namako dia mivadika amiko daholo, noho ny fialonana maro samy hafa.
Mba ahoana re no tokony hataoko hahitako namana tena namana?
Soa no manoratra eto.

15

ôtran' gaga aho mamaky ity zavatra ity, maro nomilaza hoe: mifankatia ny gasy rehefa any ivelany, nefa nareo tany milaza contraire,
fa maninona ts tokony hoe: hifampiaro aza vé?

aiza le hoe: fihavanana malagasy é!!
sa resa-be fotsiny

14

toetran'ny gasy ny miavona,miseho manan-kambo anefa tsy mahatakatra izy ireo fa izay ahilikilika ihany no mety ahavonjy any aoriana.Tsy mahay mifandefitra fa fialonana no mipetraka ao an-taina.Tsy mba faly @ fahasoavana miditra @hafa izany fa vao sendra itsikian'ny vintana ny namana iray dia efa ahitana resaka be.Hahatonga aiza re ry gasy ny toe-tsaina ratsy?mivavaha fa Jesosy ihany no ahavonjy sy hanafaka,isika mandalo ihany eto fe raha hoe harena no mahatonga izany dia mety mba hiteny ihany aho hoe:atao inona milliards tsisy Jesosy?zava-poana fa vitany ny manafoana izany eo am-pelatananao ao anaty indray mipi-maso.
Mandiniha kely anie e!izy no manome antsika isan'andro io na ny aintsika fotsiny aza dia avy aminy. asa!ianareo ihany io aloha e!!!

13

Miarahaba an-tsika rehetra!!!
marina tsisy kianina daholo re voalaza retraretra ireo hoe miavona ny gasy.
FANOTANINA 1: inona no antony mapiavona ny gasy aty andafindrika aty
trotra ny valiny: mievitriny tenany fa efa tafita sy ho manakarena izy. efa doto ny fahantrana be loatra
tany DAGO tany reo ka vo manana ny ampy kely dia manitrakitro. za milaza eto zao dia eto ITALY tsoroko @nareo mpamaky fa ny gasy eto @toerana misy ahiko efa eo @40 isa eo. reo tompoko dia mifapiatraravelatsihy fotriny rehefa miresaka. sasany zany rehefa mba mifanena @nao dia hifosa gasy namany iany no atony MAPALAELO E! MBA MISAINA RY RETO A!

12

Marina avokoa ireo voalaza ireo, fa raha ny tenako manokana dia nanenina tongotra aman-tànana miara-monina @- na Malagasy sy nanampy Malagasy. RATSY LOHA, NO MAMPIDIDOZA!!!!!!!
Mila fantenana tsara izay olona azo antoka sy ahatokisana hafaka hiara monina tsy ham-pisy rahoraho.
ô ry mpiray tanindrazana ô! mbola lehibe eto Europa ka ze toerana zara raha misy malagasy ihany iainana. Raha vao fantatrareo fotsiny hoe misy ao @ toerana iray , na dia iray fotsiny aza dia HIALAO LAVITRA

11

Manao ahoana daholo izay mahatsiaro tena fa MALAGASY .
Ny havonavona, ny fialonana,sns.......toetran-draolombelona
fa adalan'izay mampihatra izany @ tenany . Indrindra isika aty tany lavitra aty . tadidio fa na inona ataonao dia misy valiny daholo.

10

Mahaliana antsika eto @ madatsara mihitsy ny fifandraisana misy aty ivelany indrindra eo @ samy malagasy.

9

tena mahagaga tokoa , raha ianao no mandeha eny an dalana ka mifanena @ gasy ka miseho miarahaba dia tonga dia hoe Gasy Vao Tonga iny , miarahabahaba foana toy ny gasy vao tonga hono , io ohabolana malaza be aty

Madatsara Forum de discussion » Malagasy » Malagasy miavona, 2ème partie » Écrire une nouvelle réponse



Haut de page

Madatsara - Tout Madagascar en un clic