Miaro ny rariny - Tia tanindrazana hoe ?
Heno etsy sy eroa ireo fehin-kevitra ireo. Fitakiana ny famerenana ny nisy teo aloha no tena marimarina kokoa : izany hoe famerenana ny filoha teo aloha ho eo amin’ny fitondrana indray. Izay no tena marina
Raha miresaka ny rariny manko, fa indrindra ny fitiavan-tanindrazana dia toa tsy mifanaraka mihitsy amin’ny zava-nisy teo aloha ireo fehin-kavitra ireo . Tsy mifanaraka hoy aho satria :
- be loatra ny fanosihosena ny lalam-panorenana vita
- be loatra ny famenoana paosy sy fitsinjovana tombotsoan’olom-bitsy natao
- nisy ny famarotan-tanindrazana ,
- noketrehina ny fampiadiana ny samy malgasy,
- nampidirina ny mpikarama an’ady hampihorohoro ny mponina,
- nihoam-pampana ny fangalaram-bato
- niha-nahantra fadiranovana ny Malagasy anefa ny trosa navelan-dratsiraka dia efa nofafana ary nitrosa avo roa heny noho ny tamin’ny fanjakan’I ratsiraka indray ny Malagasy tao anatin’ny fotoana fohy monja sns sns…
Ka inona ary no rariny arovana? Tena fitiavan-tanindrazana ve no fitakiana ny famerenana ny nisy teo aloha? TSIA DIA TSIA.
Inona no miseho ankehitriny? Isika any an-tokan-trano no tsy mifanara-kevitra, ny iray fiangonana no miady, ny mpiara-monina no mifaniasia sns sns
Raha tena tia tanindrazana isika, dia tokony handray anjara tanteraka amin’ny famolavolana lalam-panorenana vaovao, lalam-pifidianana vaovao, fanadiovana sy famenoana ny lisi-pifidianana mba ho izay hiakatra eo, dia ho tena nolanian’ny vahoaka tao anatin’ny mangarahara.
Isika, izaho sy ianao dia afaka mandeha manantona ny fokontany ka manampy amin’ny fanadiovana ny lisi-pifidianana. Efa asa fitiavan-tanindrazana lehibe izany.
Isika, izaho sy ianao dia afaka misoratra anarana any mba ho isan’ny mpanara-maso ny fifidianana. Izay no niseho tamin’ny fifidianana Maire teo an-drenivohitra : olona maro be sy mafana fo no nanara-maso akaiky ny fizotran’ny fifidianana sy fanisana ny vato ka tsy afaka nanao ny asa ratsiny ireo niketrika izany.
Ka ndao re isika rehetra, hiaraka sy hifandray tanana mba ho tena fitsapana hevim-bahoaka marina no ho atao fa tsy hisy intsony ny hala-bato toy ny hita hatrizay ireny.
Mikasika fitiavana tanindrazana ihany, fa mikasika fitiavana an’Iarivo marimarina kokoa : isika rehetra terak’Iarivo no vendrana, hilaozantsika miady an-trano, faly ery isika mifanenjika : ny hiverenan’I dada eo amin’ny fitondrana aloha dia tena nofy ê! Tsy iarivo irery no madagasikara fa indrindra tsy ny protestanta ihany no olon’iarivo. Na eto tana na any ivelany, ireo protestanta terak’iarivo ihany sisa no mitaky ny fiverenan’I dada. Ny Malagasy sisa rehetra efa mijery ny manaraka, efa miandry ny lalam-panorenana sy lalam-pifidianana vaovao.
Efa milaza I Andry fa tsy hilatsaka amin’ny fifidianana manaraka fa kosa hiasa mafy mba hametraka ny lalam-panorenana sy lalam-pifidianana vaovao. Na tsy niandany taminy aza, na tsy tia azy maizina aza, asa masina no tokony hiaraha-mametraka. Raha tsy isika rehetra no miara-misahana, dia mbola hisy foana fitongilanana.
Raha mitohy ny asa ataon’ny GTT (miaro ny tanindrazana hoe?) dia fantaro fa ry Pierrot sy ry Rolland ratsiraka no mahazo vahana. Nefa jereo sahady ny laha-tenin’I pierrot : adin-dramerina no misy sns sns Ka miaro ny tanindrazana ve nareo raha miantso ny firenena mikambana sy vahiny hanafay an’I Madagasikara, miaro ny tanindrazana ve nareo raha mamafy lainga etsy sy eroa sy mitaky mafy ny hamerenana ny fomba fitondra teo aloha?????
Atsipy ny tady an-tandrokin’ny omby, atsipy ny teny am-po ny mahalala