15 novembre 2009
15 septembre – 15 novembre. Roa volana anio no nampidirana ahy an-tranomaizina noho ny fidinako teny Ambohijatovo. Du 15 septembre au 23 octobre teny Antanimora, ary nanomboka ny 23 octobre teto amin’ny HJRA.
Herinandro lasa koa izao ny nanaovana sonia ny « acte additionnel » tao Addis-Abeba kanefa dia mbola tsy misy mangirana ny aminay gadra politika. Tsy ny fifamelan-keloka ve no tokony hatao mialohan’ny fananganana governemanta sy ny fanendrena ireo mpikambana rehetra amin’ireo andrim-panjakana sy fikambanana isan-tokony ? Ary dia noho ny heloka tokoa ve no antony itazomana anay aty am-ponja ? Toy ny fitakiana ny rariny sy hitsiny nataon’ireo mpomban’ny tsy faly tamin’ny fitondrana teo aloha no nataonay koa nandritra ny volana maro. Tsy mitovy anefa ny fijery arakaraky ny toerana misy ny tena : ny mpanao fihetsiketsehana dia milaza fa mitaky ny rariny sy ny hitsy, fa ny mpitondra kosa dia mitsara fa mpikorontana sy mpanelingelina ary mpitangorona amin’ny tsy antony ireo mpanao izany, ka noho izany dia meloka. Fisaka tokoa ny rariny hoy ny fitenin’ny Ntaolo. Izay tokoa no nanasingànàna tao anatin’ny maro ireo mpanao sonia tany Maputo sy Addis-Abeba mba hahita izay marimaritra iraisana hiverenana amin’ny “légalité constitutionnelle”. Ka tsy rariny ve raha votsorina miaraka amin’ny vava ireo voafonja rehetra ? Homena fahafahana vonjimaika (LP) avy hatrany izy ireo, fa ny procédure (fitsarana, ets…) raha ilaina, manaraka ihany. Miandry ny fitsanganan’ny governemantan’ny tetezamita vaovao hono ny zavatra rehetra… fa maninona ?
Mandritra izany fotoana izany, etsy andaniny dia mbola miantsoantso ny eny amin’ny Magro, ary ankilany kosa miantsy sy manao angoantenda ireo mpanaty rà-kena eo anivon’ny « radio » sasantsasany. Mitazana ny mpanao gazety. Mampionontena sy very fanahy mbola velona ireo vahoaka tsy mandady harona. Ary ny gadra kosa dia lanin’ny kisoa eny Antanimora sy Tsiafahy. Mampalahelo, maha te-hitraotra indraindray.
Miangavy anareo efatra mirahalahy, (Président, Co-Président roa ary Premier Ministre) hamaha haingana ny olana izay misy eo amin’ny fananganana ny governemanta. Fantatra fa tsy mora izany, kanefa araka ny voalaza etsy ambony, dia notsogaina tao anatin’ny maro ianareo ka mahatoky ny fahendrenareo izahay vahoaka sy mpanao politika.
Aza manaiky teren’izatsy na zaroa ianareo fa ny fanahy sy eritreritrareo (en votre âme et conscience) no hirosoanareo sy handraisanareo hevitra.
Aza adino fa tsy ny fahefana – izay mitondra amin’ny fakam-panahy ka mety hampiasaina amin’ny zavatra tsy izy – no zava-dehibe mandritra ny tetezamita fa ny fametrahana ny hevitra sy ny rafitra rehetra hidirana amin’ny repoblika faha-IV (raha izay no filazan’ny maro azy). Inona avy moa izany hevitra izany ?
- Fiaraha-monina toy inona no irintsika hiainana sy avela amin’ireo taranantsika ?
- Ahoana ny fifandraisan’ny teknika enti-mamokatra sy ny fiaraha-monina (social) ?
- Inona sy hatraiza ny fahefan’ny fitondrana na Etat ?
Ireo kômisiôna toy ny CES sy indrindra ny CRN no hamahavaha ireo fanontaniana ireo; indrindra koa ny « assise nationale » izay tsy maintsy hatao ao anaty fotoana fohy.
Tsy tora-po no ilaina amin’izany fa ny famaliana ny teboka voalohany : « vision et projet de société » iraisana. Maro ny hevitra mety hivoaka kanefa kosa dia tsy maintsy mametraka fototra iraisana ny mpizaika.
Maika daholo ireo zavatra ireo ary efa fohy aza ny fotoana. Raha fitadiavan-toerana no mahamaika dia ny hiazakazaka any amin’ny fifidianana no mibahana ao an-tsaina : « assise » anarany fotsiny no hatao ary lalam-panorenana vonjimaika no asaina hankatoavin’ny vahoaka. Tsy ho voasoroka hatrany amin’ny fakany ny tarazo fanao taloha ary dia ny teo ihany no eo. Aza hitako anie izany ! Tsy tokony ho very fanahy mbola velona ny vahoaka fa kosa mahalevona ny zava-nitranga hatramin’izao ka mahalala ny làlana tian-kizorana : mendrika hajaina ny vahoaka ka tsy ireo diso aoriana fifoha indray (extrémistes) no homena làka.
Vita ny sonia tany Maputo sy Addis-Abeba kanefa mbola tsy tafavoaka ny ala isika.
Koa mitaky aho ny :
1. Hamoahana miaraka amin’ny vava ireo rehetra voafonja noho izy ireo voarohirohy tamin’izao raharaha 2009 izao, araka ny notinapaka tany Maputo, nohamafisin’ny fanaovan-tsonia ny fifanekena fanampiny tany Addis Abeba.
2. Hananganana haingana ny governemanta tetezamita mba hiatrehana ny tena ventiny fa tsy lany andro amin’ny sasiny.
Hofanamafisana ny fitakiako dia manomboka ny « grève de la faim » aho anio amin’ny 6 ora hariva (ora nidirako teny Antanimora tamin’ny 15 septembre 2009).
RAHARINAIVO Andrianantoandro