Tout Madagascar en un clic

Aller au contenu du Forum

Madatsara Forum de discussion

Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches

Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.


Écrire une nouvelle réponse

Écrire une nouvelle réponse

Écrire et envoyer votre nouvelle réponse.

Vous pouvez utiliser: BBCode Émoticônes

Tout les champs identifiés par (Requis) doivent être complété avant que le formulaire soit envoyé.

Information requise pour les invités


Information requise
Préférences optionelles pour les messages

Examiner les discussions (La plus récente en premier

12

BOKIN' ISAIAH 60 : TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA MIKASIKA AN' I MADAGASIKARA :
-

Indro zaraina amintsika ny Bokin' ISAIAH 60, izay TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA mikasika an' i MADAGASIKARA, izay nampitondrainy an' i Mama Volahavana Germaine, izay efa nampiakarin'i Jesoa Kristy im-pito tany an-danitra, ary ho tanterahan' ILay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, tsy ho ela intsony eto amin' ny firenena:



1 "MITSANGANA, MIHAZAVA, fa TONGA NY FAHAZAVANAO, ary NY VONINAHITR' I IHWH EFA MIPOSAKA AMINAO.

2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa AMINAO KOSA NO IPOSAHAN' I IHWH, ary AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.

3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.

4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.

5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.

6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.

7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.

8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?

9 Fa IZAHO no ANDRASAN' NY NOSY, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana,
Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i IHWH Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,

11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.

12 Fa HO LEVONA IZAY FIRENENA SY FANJAKANA TSY HANOMPO ANAO;                    ENY, IRENY FIRENENA IRENY HOFONGORANA TOKOA.

13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.

14 NY ZANAK'IZAY NAMPAHORY ANAO DIA HIONDRIKA EO ANATREHANAO,              ary HIANKOHOKA AMIN' NY FALADIANAO IZAY REHETRA NANAMAVO ANAO;
ary izy hanao anao hoe TANANAN' I IHWH, ZIONAN' NY IRAY MASIN' NY ISRAELY.

15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia HASANDRATRO HO REHAREHA MANDRAKIZAY IANAO, eny, HO FIFALIANA HATRAMIN' NY TARANAKA FARA MANDIMBY.

16 Ary hinono amin'ny jentilisa hianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa IZAHO IHWH NO MPAMONJY ANAO, ary ILAY MAHERIN' I JAKOBA NO MPANAVOTRA ANAO.

17 Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; NY FIADANANA NO HO HATAOKO FANAPAHANA ANAO, ary NY FAHAMARINANA NO HO MPAMPIASA ANAO.

18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.

19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa IHWH NO HO FAHAZAVANA ANAO MANDRAKIZAY, ary IHWH NO HO VONINAHITRAO.

20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa IHWH NO HO FAHAZAVANAO MANDRAKIZAY, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.

21 Ary ny olonao rehetra ho MARINA avokoa; hanana ny TANY ho mandrakizay izy, eny, ho VOLY MAITSO eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.

22 Ny kely ho TONGA ARIVO, ary ny malemy HO TONGA FIRENENA MAHERY; IZAHO IHWH NO HANAFAINGANA IZANY AMIN' NY FOTOANY".


Amen !



Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Docteur en Théologie (Ph.D, USA),
Mpitarika ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy ny Zananakandriana eto Madagasikara.

11

INTERVIEW Du Rev. Dr. NDRIANA RABARIOELINA: " 65% DES MALAGASY N'ONT PAS ADOPTE CETTE QUATRIEME REPUBLIQUE " :


Qu'en est-il du bilan du système républicain?

Le système républicain n'est pas adapté pour Madagascar. Après cinquante années de république (1960-2010) imposées par les colonisateurs occidentaux, Madagascar se trouve parmi les quarante pays les plus pauvres du monde (145ème rang mondial sur 182ème pays, classement de l'indice de développement Humain IDH, PNUD 2009). Ainsi, quatre vingt dix pour cent (90%) de la population se trouve dans la pauvreté et la misère. La république, la démocratie, la dictature, et la tyrannie n'étaient que de prétextes pour quelques familles de s'enrichir au détriment de la grande majorité de la population.


Qu'est ce qu'il faut faire actuellement?

En priorité, le respect des droits de l'homme par la libération des 350 prisonniers politiques (religieux, civiles et militaires), le respect de la liberté d'expression, et le respect de la liberté de presse par l'ouverture des 80 stations radios et télévisions fermés, pour créer un climat d'apaisement.

Ainsi que le respect de la présomption d'innocence car aucun citoyen ne doit être mis sous mandat de dépôt ou être emprisonné s'il n'est pas condamné, à juste titre, par un Tribunal. Et dans notre civilisation malagasy, les divergences d'opinion doivent se faire dans le respect mutuel.



Qu'en est-il de ce référendum?

Une constitution est censée être l'expression d'un vouloir "vivre ensemble". En réalité, les non-inscrits et 4.493.261 sur 7.151.223 électeurs, c'est-à-dire environ soixante cinq pour cent (65%) des électeurs inscrits n'ont pas adopté cette proposition de constitution de quatrième république en 2010. Ce référendum forcé, unilatéral, médiocre, plein de fraudes électorales à l'échelle nationale, dans un système corrompu depuis plusieurs dizaines d'années (123ème rang mondial concernant la corruption, source Transparency International, 2010), n'est pas la solution.

Et la Haute Cour Constitutionnelle (HCC) n'a pas voulu écouter les doléances de la grande majorité de la population. Par conséquent, cela va encore créer de crises socio-politiques encore plus graves.


La solution pour Madagascar?

Madagascar est une terre sacrée, différente des autres pays, et elle possède une civilisation pluri-millénaire. Un développement humain durable, équitable, équilibré, juste, est possible à partir d'une vraie nouvelle constitution basée sur le respect de Zanahary, le Créateur de l'Univers, le respect de la Bible, Parole de Dieu adressée à toute l'humanité , en particulier des Dix Commandements, le respect des droits de l'homme, le respect de notre identité nationale et de nos valeurs culturelles. 

Ce sera une constitution théocratique reconnaissant Jésus-Christ comme Rois des rois et Seigneurs des seigneurs, comme en Norvège et au Danemark, avec le "Fanjakam-Pisorona  sy Firenena Masina" (I Pierre 2:9), que l'Eternel va bientôt instaurer, qui va amener la bénédiction pour la nation (Deutéronomie 28:1-14).


Antananarivo, le 07 décembre 2010.

10

HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA


FANAMBARANA:

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA
MIORINA AMIN’ NY DIDY FOLO, HITONDRA FITAHIANA.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona, manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra ozona ho an’ ny firenena.

Miditra isika izao amin' ny Taon-Jobily (Levitika 25:8-10), Taona faha-Dimam-Polo (1960-2010), Taona Fanafahan' Andriamanitra ny Firenena! Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Jesoa Kristy, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary! Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany.


1. NY TENIN’ANDRIAMANITRA NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hajorony eto tsy ho ela intsony ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza. Hajorony ny Lalàm-Panorenana Vaovao mifototra amin' ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra. Ary Olon'Andriamanitra maro, tena mijoro amin’ ny fahamarinana (Isaiah 33:15), no hapetrany hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, isan'ambaratongam-pahefana.

Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena.


2. TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA NY FANJAKA-MPISORONA:

Ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia Tenin’Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly, izay fanomezany toky amin’ izay asa hataony sy ny zavatra ho tanterahiny ary ny fanomezana atolony. Izay olona na fianakaviana na foko na firenena manaiky izany dia hahazo Fitahiana (Deotoronomia 28:1-14) ary izay mitsipaka izany Tenin’Andriamanitra izany kosa dia ho sahirana sy ho voaozona (Deotoronomia 28:15-68).

Teny Fikasan’Andriamanitra ny Fanjakam-Pisorona, nolazainy efa hatry ny ela, fa tsy vao izao akory. Hoy Ilay Mpahary: “Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho Fanjakam-Pisorona sy ho Firenena Masina ho Ahy hianareo. » (Eksodosy 19:6). Ary inona moa izany Fanekena izany ? Ny Fanambarana nataony tamin’ i Abrahama ho Rain’ ny firenena maro sy hisy Mpanjaka maro hipoitra avy aminy (Genesisy 17:6-7) ary ho Firenena Masina, « mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho » (Genesisy 17:7).


3. NY DIDY FOLO NO FOTOTRY NY LALAM-PANORENANA:

Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny, ary efa nohamasin’ Ilay Mpahary tamin’ ny namoronany ny Lanitra sy ny Tany. Ary Jesoa Kristy, Zanakandriamanitra avy any an-danitra (Jaona 1:1-34), dia efa tonga teto Madagasikara, rehefa tsy tany Israely, ary nanamasina ity Nosintsika ity, roa arivo taona lasa izay, ho an’Andriamanitra Ray Tsi-Toha!

Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia eto Madagasikara ny Didy Folo, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay Fiaran’ ny Fanekena, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema! Ary ny Didy Folo no fototry ny Lalàm-Panorenana ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona.


4. JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:

Araka ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy izany tamin’ ny 20 Jolay 1869 tamin’ ny fandatsahana ny vato fehizoron’ ny Tempoly Anatirova Antananarivo. Ary tsy tafita hatrany izay mpitondra firenena, manerana ny tany, ka tsy manaiky na tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona, izay ho hajoron’Ilay Mpahary tsy ho ela intsony, dia Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’Andriamanitra. Hisy ny Mpanjaka araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy Filan-Kevitry ny Mpisorona (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’Andriamanitra (Salamo 119 :105).


FEHINY:

Hajoron'Andriamanitra tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona! Miomana ny Fiangonana. Miomana ny Firenena. Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia.

Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, faha-07 Novambra 2010.

9

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, HITONDRA FITAHIANA HO AN'NY FIRENENA :


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, fanjakam-pisorona, manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany.

Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra fahantrana ho an’ ny vahoaka. Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, efa 2000 taona lasa izay, i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary. Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany.



1. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA:

Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany no fototry ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (Eksodosy 19:6). Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, efa nolazainy am-polo taona maro: Izy no efa nifidy an’ i Madagasikara ho Lahimatoan’ ny Tany! Ho Lahimatoa amin’ ny Finoana sy ny Fankatoavana an’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany!


Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona dia avy amin’i Zanahary, manaja sy manaraka ny Teniny, amin’ ny alàlany, ary ho Voninahiny irery ihany (Romana 11:36). Ny fototry ny teny hoe Fanjakana dia ny teny hoe Aka, izay manome ny anarana samihafa hoe: faka, jaka, laka, paka, zaka. Ny dikan’ ny teny hoe Aka dia Ain-dehibe avy amin’i Zanahary, izay mamelona sy miori-paka ao aminy. Ny Fanjakana izany dia ilay fahefana sy rafitra avy amin’i Zanahary, nampindramina ny Filoham-panjakana sy ny tompon’andraikitra rehetra, manaraka ny Tenin’Andriamanitra, mba hanasoavana ny firenena sy hiadanan’ny vahoaka ary hiarovana ny tanindrazana.



2. TENIN’ANDRIAMANITRA FA TSY FEON’ NY MPANAO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hotahiana izay olona mahatoky an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany (Jeremia 17:7). Fa voaozona kosa izay olona mahatoky olona (Jeremiah 17:5). Ary ny Fahefan’Ilay Mpahary irery ihany no azo ekena, fa tsy ny didy jadona na ny fahefam-bahoaka. Ary ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no Fanilo sy Fahazavàna (Salamo 119:105), izay marina mandrakizay ary azo itokisana, fa tsy ny tenin’ny mpanao politika izay mandalo, ary mety mamitaka sy mivadibadika isan’andro.



3. FANJAKANA FA TSY REPOBLIKA :

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), no làlana tokana, avy amin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka (I Timoty 6:15), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.


Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ i Zanahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena.



4. FOKOM-PIRENENA FA TSY ANTOKO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny fototra iorenan’ ny fampandrosoana dia ny fianakaviana (Genesisy 2:7-24), ny fianakaviambe, ny zana-poko, ny foko, ary ny fokom-pirenena, , izay mahenika ny firenena manontolo, sahala amin’ ny Zanak’Israely Roambinifolo (I Mpanjaka 18:31) fa tsy ny antoko politika velively.



FEHINY:

Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia. Zanahary ô, Tahio ny Tanindrazanay !

Ho an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra !

8

Araka ny TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA, ny RAFI-PIARAHA-MONINA hajoron'Andriamanitra eto MADAGASIKARA TANY MASINA tsy ho ela,

dia manaja an'i ZANAHARY sy ny SOATOAVINA ary ny KOLOTSAINAM-PIRENENA, fa tsy ny kolotsaina vahiny, izany hoe:


- FANJAKANA fa tsy repoblika,
- manaja sy mifototra amin' ny TENIN'ANDRIAMANITRA fa tsy ny feon' ny mpanao politika,
- miainga amin' ny FOKOM-PIRENENA fa tsy ny antoko politika,
- manaja ny FAHAIZANA AMAM-PAHALALANA (méritocratie) fa tsy ny demokrasia.


Ary ho lasa FIRENENA MATANJAKA amin' izay i MADAGASIKARA... !!!

7

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HITONDRA SIVILIZASIONA VAOVAO :

HO FIRENENA VOALOHANY FA TSY HO FARANY :



Ara-tantara dia firenena anisan’ny natanjaka indrindra eran-tany ny Fanjakan’ i Madagasikara, tamin’ ny Taonjato faha-19, izay neken’ ny firenena vahiny, toa an’i Etazonia, Frantsa, Alemana, Angletera, ary mbola teo alohan’ i Japana.

Taorian’ ny Konferansa tany Berlin (1884-1885) anefa, izay nivorian’ ireo firenena tandrefana mpanjanatany (Alemana, Angletera, Aotrisia-Hongria, Belzika, Danemark, Espana, Etazonia, Hollanda, Italia, Lafrantsa, Portiogal, Rosia, Soeda, Torkia),

dia tonga teto ny frantsay mpanjanantany ary nopotehina ny firenena, nampijaliana sy notifirina ary novonoina ny tompontany an-tapitrisa, ary nangalarina ny tany sy ny harem-pirenena teto Madagasikara, nandritra ny efatra amby enim-polo taona (1896-1960), harena izay mahatratra 100 Milliards Dollar US mahery, izay tsy maintsy haverin’ ilay firenena mpanjanantany.

Napetraky ny mpanjanantany ny Rafitra Repoblikana (1960-2010), izay kolotsaina vahiny tandrefana, miaraka amin’ ny resaka Antoko Politika sy Demokrasia ary ny fandàvana an’ i Zanahary, nentin’izy ireo nampiadiana ny tompontany sy nampahantrana ny firenena iray manontolo, sy nanohizan’ izy ireo ny fangalàrana sy ny fandrobàna ny harem-pirenena ary ny fanapotehana ny firenena. 10 Milliards Dollar US no vola very raha kely indrindra, nandritra ny dimam-polo taona farany, vokatry ny famoahana antsokosoko ny harena teto.

Ny filohan’ ny repoblika efatra nifandimby, teto amin’ ny firenena, dia voaongana hatrany satria: na saribakoly nolalaovin’ ny vahiny, na nandroba ny harem-pirenena, na nivarotra tanindrazana, na nampijaly sy nitifitra ary namono vahoaka, na niasa fa tsy nahavita, ka tonga amin’izao faha-dimam-polo taonan’ ny fahantran’ ny vahoaka izao. Ary izay mbola mieritreritra Repoblika dia tsy maintsy ho saribakolin’ny vahiny hatrany.

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, nolazainy tamin’ ny mpanompon’Andriamanitra vitsy, dia hirodana ny sivilizasiona tandrefana satria mandà sy manohitra an’ i Zanahary, indrindra ny namoaka lalàna mankasitraka zavatra mamoafady. Ary ho haverin’ i Zanahary amin’ i Madagasikara ny Nosy rehetra izay azy fahiny (Bassas da India, Europa, Juan de Nova, Iles Glorieuses, Tromelin, Comores, Mayotte, Diego Garcia, La Reunion…).

Ary hiverina amin’ i Madagasikara ny harena rehetra izay navoaka teto, tamin’ ny tsy fahamarinana, fa ozona kosa ho an’izay olona na firenena mitazona izany harena izany, na iza na iza, ary na aiza na aiza misy azy, ka tsy mamerina azy eto Madagasikara.

Ary hajoron’ Andriamanitra eto Madagasikara ny Sivilizasiona Vaovao, manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena: Fanjakana miorina amin’ny Fianakaviana sy ny Soatoavina Fito (Fanajàna, Hasina, Fahamarinana, Fihavànana Firaisankina, Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena), ary ho lasa firenena mandroso, anisan’ ny ho voalohany indrindra eran-tany i Madagasikara !!!

Antananarivo, 21 Jona 2010.



(c) Ny Andriana Révérend Doctor Ndriana RABARIOELINA,
Docteur en Théologie,

Mpitarika Ny FIHAONAMBE NY AMPANJAKA SY NY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA.

6

FANJAKAN' I MADAGASIKARA : HITONDRA SIVILIZASIONA VAOVAO !!!


Araka ny Teny Fikasan’ Andriamanitra, nolazainy sy nampitondrainy tamin’ ny olon’Andriamanitra vitsy, efa am-polo taona lasa izay, dia hajoron’ Andriamanitra eto ny Fanjakan’ i Madagasikara, fanjakam-pisorona, ary tsy misy olombelona na vondron’olona na firenena vahiny afaka ahasàkana izany.


Hirodana ny sivilizasiona tandrefana mandà sy manohitra an’ i Zanahary. Hajoron’Andriamanitra handimby azy ny Sivilizasiona Vaovao eto Madagasikara sy ny Fanjakan’ i Madagasikara, ary haposak’ Andriamanitra eto Madagasikara ny Fahazavàny ka hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, dia Tany Masina i Madagasikara, Ilay Tany Fototra, ary nametrahan’ i Zanahary taranaka voafidy, fanjakam-pisorona sy firenena masina (Eksodosy 19:6), nantsoin’Ilay Nahary amin’ ny anarany ho olon’Andriamanitra mba hanehoany ny Voninahiny ary mba hanehoan’ izy ireo ny Voninahitr’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, raha mitandrina ny Didin’Andriamanitra isika dia ataon’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany ho firenena voalohany fa tsy ho farany, ho lohany fa tsy ho rambony, ho ambony fa tsy ho ambany, hampindrana fa tsy hindrana, hampisambotra fa tsy hisambotra, handresy fa tsy ho resy, ho feno fitahiana fa tsy ho feno fahantrana intsony (Deotoronomia 28: 1-13).


Hanafaka ny firenena Andriamanitra, amin’izao Taon-Jobily izao (Levitika 25:10), Taona faha-Dimam-Polo (26 jona 1960 – 26 jona 2010). Hanafaka amin’ ny asan’ ny maizina, ary hanaposaka ny Fahazavan’Andriamanitra eto amin’ ny firenena. Satria Andriamanitra dia Fahazavàna. Ary tsy misy vondron’olona na firenena vahiny ahasàkana izany !



NY FIHAONAMBE NY AMPANJAKA SY NY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA.


(c) copyright.

5

FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA (1):

LALAM-PANORENANA MANAJA AN’ I ZANAHARY SY NY SOATOAVINA ARY NY KOLOTSAINA ETO MADAGASIKARA:


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia miditra amin’ ny dingana manaraka indray ny tantaram-pirenena. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana teto Madagasikara. Mivadika ny pejy. Miova ny tantara. Hajoron’ Andriamanitra eto amin’ ny firenena ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona. Ary tsy misy olombelona na vondron’olona na firenena vahiny ahasàkana izany.


1. NY TANJON’ NY FANJAKAN’ I MADAGASIKARA:

Araka ny Teny Fikasan’ Andriamanitra, ny tanjon’ ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-pisorona, dia ny Fanombezam-boninahitra an’ i Zanahary, ny Fijoroana ho vavolombelon’Andriamanitra manerana ny tany, ny Famonjena sy ny Fiadànan’ ny tompontany tsirairay sy ny firenena manontolo, ary ny Fiarovana ny tanindrazana sy ny Fiandrianam-pirenena.

Ary manana adidy masina sy andraikitra goavana eo amin’ ny fanarenana ny firenena ny tompontany rehetra eto amin’ ny fiaraha-monina, ao anaty rafitra samihafa kanefa mifameno, toy ny ankizy, ny tanora, ny tantsaha, ny mpiasam-panjakana na tsy miankina, ny mpandraharaha, ny avara-pianarana, ny mpiray tanindrazana any ampitan-dranomasina, ny foloalindahy, ny olobem-pirenena, ny raiamandreny ara-panahy, ary indrindra ny ampanjaka sy ny zanakandriana isam-paritra manerana ny Nosy.


2. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA:

Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, no fototry ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona. Andriamanitra Andriananahary dia Fanahy, Tokana, Mandrakizay, Tsy manam-pahataperana, Mahaleotena, Mahavita tena, Fitiavana, Fahazavana, Fiainana, Fahatsarana, Masina, Marina, Tsy miangatra, Mpamindra fo, Tsi-Toha sy Mahery indrindra, Mahita ny zavatra rehetra, Mahafantatra ny zavatra rehetra, Mahefa ny zavatra rehetra, Masimandidy, Ilay Tokana Loharanon’aina sy Loharanom-Pitahiana, ary Tonga lafatra.

Ary araka ny teny Fikasan’Andriamanitra, Iahosoa Masina (Jesoa Kristy), Zanakandriamanitra, Tena Andriamanitra ary Tena Olombelona, Ilay Teny tonga nofo, Ilay Mpaminany lehibe indrindra, Ilay Mpisorona be Mandrakizay, Ilay Mpanjaka Masina indrindra, Ilay Tokana Mpamonjy izao Tontolo izao, izay mivavaka mandrakariva ho antsika eo ankavanan’ ny Ray Tsitoha any an-danitra, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo no Mpiaro an’ i Madagasikara, hatramin’ ny namoronan’Andriamanitra ny tany.

Hoy Jesoa Tompo: Ahy Madagasikara ! Eo ampelatanako io ! Mpiady mahery Aho ! Izaho no Foloalindahy sy miady mandresy! Ary tsy misy firenena vahiny intsony haharombaka an’ i Madagasikara. Ary Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, no Tompon’ ny Fahefana sy ny Fanjakana, ary Izy no mampindrana izany amin’ ny tompontany mba hanaovany ny Sitrapon’Andriamanitra...

(hitohy)

4

Raha izao fandehan' ny raharaha any Madagasikara izao,

lasa fanjakan' ny Baroa tsy misy farany,
tany tsy misy lalàna,
samy manao izay danin' kibony,
samy mangalatra izay mitondra mifandimby,
miady an-trano ny mpanao politika,
miady ny mpitondra fivavahana,
miady ny samy miaramila,
tsy mifanaraka ny fiarahamonim-pirenena,
miha-mahantra hatrany ny vahoaka,
tsy misy vaha-olana hafa,


fa ho tonga amin' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA ihany... !

3

FANJAKAN' I MADAGASIKARA:


Sambatra tokoa ny Firenena izay manana an' i Zanahary, Ilay Mpamorona ny Tany sy ny Lanitra, ho Andriamaniny !

Hiditra amin' ny dingana vaovao eo amin' ny Tantaran' ny Firenena tokoa isika izao. Tapitra tamin' ny 17 Marsa 2009 ny rafitra repoblikana any Madagasikara. Mivadika ny pejy. Mivalona ny tantara. Ampy izay ny fijalian' ny vahoaka sy ny firenena.

Hajoron' Andriamanitra tokoa ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, ary tsy hisy olombelona, vondron'olona, antoko politika, firenena vahiny, vondrom-pirenena vahiny ahasakàna ny fitsangànan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA !

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

2

Ny Fihoanamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara, tarihin' Ny Andriana RABARIOELINA ndriana, dia nanolotra ny Lalàm-Panorenana Vaovao, FANJAKAN' I MADAGASIKARA, tamin' ny Comité Consultatif Constitutionnel (CCC), ny Alakamisy 3 jona 2010, teny amin' ny Antenimieram-Pirenena, Tsimbazaza.

Andininy dimy amby roapolo amby zato (125) no ao anatin' izany Lalàm-panorenana vaovao izany, izay manaja tanteraka ny soatoavina sy ny kolotsaina eto Madagasikara.

Nohamarin' Ny Andriana Rabarioelina Ndriana tamin' ny Komity CCC fa efa tapitra tamin' ny 17 Marsa 2009 ny rafitra repoblikana any Madagasikara, mivadika ny pejin' ny tantara, ary hiditra amin' ny dingana hafa indray ny tantaram-pirenena, dia ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA...

(hitohy)

1

FANAMBARANA: FANJAKAN' I MADAGASIKARA :


LALAM-PANORENANA VAOVAO MANARAKA NY SOATOAVINA SY KOLOTSAINA ETO MADAGASIKARA:


Ny Fihaonamben’ ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara, tarihin’ Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, dia manolotra Lalàm-Panorenana Vaovao miori-paka sy miainga ary manaja ny Tantara, ny Soatoavina ary ny Kolotsaina eto Madagasikara, mba hisian’ ny tena fampandrosoana marina, azo antoka, mirindra, mifandanja, isam-paritra, mafy, ary maharitra.

Ny anaran’ izany fanjakana vaovao izany, izay Fanjakam-Pisorona dia FANJAKAN’ I MADAGASIKARA. Tany Masina Madagasikara, ary Firenena Masina ny teratany ao aminy. Ary ireto avy ireo Soatoavina Fito iorenan’ izany Fiaraha-monina vaovao eto Madagasikara dia:

1) ny Fanajàna an’I Zanahary Mpanao ny Lanitra sy ny Tany, sy ny mpiara-monina, ary ny tontolo iainana,
2) Ny Hasina,
3) Ny Fihavànana,
4) ny Fahamarinana,
5) Ny Firaisankina,
6) ny Fiarovana ny Tanindrazana,
7) Ny Fiarovana ny Fiandrianam-Pirenena.

Ho hita ao anatin’ izany lalàm-panorenana sy fanjakana vaovao izany ny fandraisana anjara ny ankolafin-kery rehetra eto amin’ ny firenena, toy ny teratany any ambanivohitra, ny mpiasam-panjakana na tsy miankina, ny mpandraharaha, ny avara-pianarana, ny any am-pitandranomasina, ny raiamandreny ara-panahy, ary indrindra ny Ampanjaka rehetra manerana ny faritra eto Madagasikara.

TANY MASINA I MADAGASIKARA!

Antananarivo, 20 Mey 2010.



Haut de page

Madatsara - Tout Madagascar en un clic