1

Sujet: Sabotsy sa Asabotsy ?

Misy teny maromaro nolovaintsika avy tamin’ny teny arabo. Anisan’ireny ny anaran’ny andro amin’ny herinandro.Raha manisa amin’ny fiteny andavanandro ny arabo dia hoy ry zareo : ouaihed, tninn, tleta, arbaa, khamsa, sita, sabaa, etc… izany hoe “1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, etc…”. Rehefa asiana mpanondro (article) eo aloha dia manome filaharana : al ouaihed, al tninn, al tleta, al arbaa, al khamsa, al sita, al sabaa, etc…, izany hoe “le 1er, le 2eme, le 3eme, le 4eme, le 5eme, le 6eme, le 7eme, etc”. Ireo koa no ampiasain-dry zareo anondroana ny andro amin’ny herinandro, afatsy ny fahaenina tsy nataony hoe “al sita” (fahaenina) fa “al djoumouaa” (ny andron’ny vahoaka”), izany hoe andro fandehanan’ny olona miozolimanina mivavaka.Koa raha ireo fiavian'ny teny ireo no dinihina dia toy izao manaraka izao no tokony hanoratana ny andro amin’ny herinandro : alahady, alatsinainy, atalata (fa tsy “talata”), alarobia, alakamisy, azoma ( fa tsy “zoma”), asabotsy (fa tsy “sabotsy”).Ny fahazaran-dratsy amin’ny fiteny andavanandro no nahatonga ireo hadisoana amin’ny fanoratra ireo. Ny “to’to-bato” lazaina amin’ny fiteny mahazatra io rehefa soratana marina dia hoe “tohatoha-bato”. Toy izany koa ny “ol” (olona), “mil” (milina), sns… Tian’ny Malagasy tokoa ny mitelina vanin-teny (syllabes). Miatomboka amin’ny litera “A” avokoa ny fanoratra ny andro amin’ny herinandro amin’ny teny malagasy. Ny amin’ny teny frantsay miafara amin’ny “DI” daholo (afatsy ny “dimanche” nataony eny aloha ny “DI”). Ny andro amin’ny herinandro amin’ny teny anglisy sy ny teny hafa rehetra koa dia manana io zavatra iraisana io.Fehiny : ATALATA no izy fa tsy “talata”, AZOMA fa tsy “zoma”, ASABOTSY fa tsy “sabotsy”. Ireo andro telo ireo no tena be mpandiso.

2

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Marina dia marina tokoa ary misaotra anao nanome ireny fanazavana sy fanitsiana ireo. Indrindra momba ny Al djomoa (Azoma) izay vitsy mpahalala.Hatraiza kanefa no tokony iverenana ny fiavian'ny teny raha te hanoratra @ ny teny malagasy fampiasa anio?

3

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

ary ahoana indray ny momban'ny Alamady sy ny alakosy sy ny sisa mba omeo fanazavana misimisy hoe raha misy mahay ianareo Misaotra mialoha

4

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Tena marina ireo zavatra nolazainao ireo, saingy izao: ho sarotra ny handresy lahatra ny malagasy fa toy izao no tena izy   misaotra betsaka

5

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Marina fa nolovaina tamin'i teny arabo ireo andro voalaza, saingy kosa tsy avy amin'ny fanisana arabo fa ny andro arabo mihitsy. Raha mahay mamaky teny arabo ny tenanareo dia ho hitanareo fa samy hafa ny fanoratana ny "al ouad" izay midika tokoa ny voalohany, sy ny "al ahad" izay Alahady amin'ny andro arabo izay nolovaintsika, ary ny andro enina sisa dia torak'izany koa. Momba ny Alahamady sy ny Alakaosy indray, dia avy amin'ny teny arabo ihany koa. Ireo dia filazana ny fotoana nahaterahana( signe astrologique). Ary ny olona teraka alakaosy dia mahery andro, fa ny alahamady kosa dia olona tsotra tsy sarotiny, fa tsy midika akory fa ny alakaosy olona sarotiny fa tsy mora manaiky. Misaotra anareo sy mahereza

6

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Mahafinaritra tokoa ny fanazavanao fa mba ilako fanazavana aminao koa ny fampiasana ny hoe, Ambony sy ny Lasa amin'ny hoe herinandro ambony na hoe herinandro lasa Tsy dia mba heno matetika intsony manko ny hoe herinandro lasa fa hoe tamin'ny herinandro ambonyMisaotra anao

7

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Ny teny hoe Sabotsy dia avy amin'ny teny hebreo hoe shabbat .Andro fahafito ao anaty Baiboly.Mazava ho azy izany fa sabotsy no akaiky azy kokoa noho ny asabotsy .Avy eo anefa dia afaka manova sy manorina araka izany fitsipika eritreretiny ny rehetra.

8

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Raha miteny andavanandro, ny "ol", azo atao koa hoe "olo", na "olona", tsa manovan'ny hevitry ny teny io fa fomba firesaka. Tsa magnahy raha azon'ny gasy hafa ary tsa mandona ny hajany ny tianao lazaina.  Lehe tsa mazava ny tiako ambara dia manaova resaka aha tegny antsisin' Andavamamba @ prezida Ravalomanana dia jereo lehe hajainy ny hevitrao.Ara-tsoratra kosa, soa ihany fa efa misy ny lalana fanoratana teny malagasy. Ary tokony arahina izy io, lehe tsy izay mantsy manjary vary amin'anana ny teny gasy, ka ny "tarehy" any amin-drangaha mety hoe "vody" egny amin'ny hafa, dia mety manozona ny fihavanan'ny malagasy izany. Hoatra lehe mangata-bady an-tsoratra roky, dia mantsy @ ray hoe "tsara tarehy ny zanakao". Veloma ry malala o.Ny sinoa ro nahita hevitra tsara. Na samihafa ny fiteniny (mandarin, cantonais), mitovy ny fomba fametrahany ny heviny an-tsary (fa tsy an-tsoratra), ka na dia tsy malala izay tenenin'ny olona eny avaratra aza ny tatsimo, atao sary fotsiny ny tiany holazaina.

9

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Alainr7.

Misaotra anao Andriamaheninjafy Solofo niezaka nikaroka araka izay tratranao ny @ fiavian-tsika Malagasy. Tohizo fa tsara aza kivy dia ho hitanao tokoa ny tena marina ary tsy ho matiantoka ianao.

Amim-panetretena   lehibe no itondrako izao zava-niafina hatrin'ny ela izao eto:
   
Sabotsy sa Asabotsy ?
« le: 28-08-2002 à 11:22:00 »
    Citer en rĂ©ponseCitation
Isika dia tsy nandova velively   teny   avy tamin’ny teny arabo. Raha ny momba ny  anaran’ny andro amin’ny herinandro dia no tena marina: ny teny arabo dia avy amin'ny teny hebreo no niaviany .Raha manisa  ny hebreo dia toy  izao : Ah'ad/Ah'at, Sheni/Shinaim, Shlosha, arbah, khamisi, shishi, shevi, etc… izany hoe “1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, etc…”. Koa satria hatramin'ny nanaovan'Andrimanitra ny lanitransy ny tany dia n° no nitononany ny andro tsirairay (andro 1°, andro 2°..........andro 7°) Dia nasiany mpanondrdo nialoha ireo n° fito ireo "Al"  "sur" ny dikany,  dia manome filaharana : Alah'ad, Alshinaim, Talet, Alarbah, Alkhamisi, Zoma,shabat. Ny Talet dia avy @ teny Babiloniana satria babo tany ny zanak'IsraĂ©l , ny hoe Zoma kosa dia avy @ teny hebreo hoe "zeh iom ariv shabat" izany hoe: ity ny andro fiomanana @ shabat" dia no hafohezina fotsiny dia lasa "z o m a". Ny  Shabat dia avy @ teny hebreo hoe Shiv'at (faha fito) ny b indraindray miova v na mifamadika @ zany.  .Fehiny : TALATA no izy fa tsy “atalata”, ZOMA fa tsy “azoma”,  SABATA fa tsy “sabotsy” na Aasabotsy.  Misaotra mazotoa mikaroka e! Lalina ny tantarantsika Malagasy.....

10

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Tsy important

11

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Nandra be io miteny hoe tsy important io, ngĂ  zay tianao ihany io, sa ilay hebreo no tsy zakanao?

12

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Akhad (araméen)= un/premier (jour)
tsineain (chaldéen)=lundi
Talat(araméen)=mardi
Rbiy (chaldéen)=mercredi
Kamis (chaldéen)=Jeudi
Tsoumah (chaldéen)=jeûne/vendredi
Shabbats =samedi

Le taw se prononçait autrefois « ts » sauf en présence du dagesh où il se prononçait « t ».

Le « al » en hébreu et en araméen est l’équivalent du « on » en anglais.
On the first day (anglais)=  al ha akhad (aramĂ©en)= alahady (malgache)
Ont he second day  (anglais) = al (aramĂ©en) ha tsineain  (chaldĂ©en) = alatsinainy (malgache)
Tuesday (anglais)= Talat (chaldéen)= Talata (malagache)
On the fourth day (anglais)= al (araméen) ha rbiy (chaldéen)= alarobia (malgache)
On the fifth day (anglais)= al (aramĂ©en)  ha kamis (chaldĂ©en)= alakamisy (malgache)
Sixth day (anglais) = tsoumah (chaldéen)= zoma (malgache)
Seventh day (anglais)= shabbots (araméen)= sabotsy (malgache).

Tout peut donc s’expliquer par d’autres langues sémitiques, que ça soit exclusivement arabe n’est pas sûr du tout. Car les arabes ont bien pu hériter de ces mots au contact des autres peuples sémites comme les babyloniens (chaldéens), et je tiens à remarquer que la bible confirme la relation des arabes avec les chaldéens « Elle ne sera plus jamais habitée, et elle ne se rebâtira point dans la suite de tons les siècles ; les Arabes n'y dresseront pas même leurs tentes » Esaïe. Les malgaches ont donc très bien pu les hériter de leurs ancêtres Juifs éxilés à Babylone.

13

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Je tien aussi à rappeler que les anciens Israelites, du fait de leurs aventures en Egypte, à Ashur et à Babilu savaient parler l'Egyptien et les langues nord sémitiques comme le chaldéen et l'assyrien. Cette influence se retrouve encore fortement dans le malgache moderne comme nous le montre les noms des jours.

14

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

sans être hors sujet, le mot pour dire "éxilé" en malgache est "babo", à comparer au mot akkadien et babylonien "babilû" qui désigne babylone , le lieu d'éxil des Juifs en -587.

15

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

LES POSSIBLES ORIGINES SEMITES NON ARABES DES NOMS DES JOURS ET DES MOIS EN MALGACHE

Les jours de la semaine

Akhad (araméen)= un/premier (jour)
tsineain (chaldéen)=lundi
Talat(araméen)=mardi
Rbiy (chaldéen)=mercredi
Kamis (chaldéen)=Jeudi
Tsoumah (chaldéen)=jeûne/vendredi
Shabbat =samedi

Le « al » en hébreu et en araméen est l’équivalent du « on » en anglais.

On the first day (anglais)=  al ha akhad (aramĂ©en)= alahady (malgache)
Ont he second day  (anglais) = al ha tineain  (aramĂ©en) = alatsinainy (malgache)
Tuesday (anglais)= Talat (chaldéen)= Talata (malagache)
On the fourth day (anglais)= al (araméen) ha rbiy (chaldéen)= alarobia (malgache)
On the fifth day (anglais)= al (aramĂ©en)  ha kamis (chaldĂ©en)= alakamisy (malgache)
Sixth day (anglais) = tsoumah (chaldéen)= zoma (malgache)
Seventh day (anglais)= shabbat (araméen/hebreu)= sabotsy (malgache).

Les mois de l’année

comme l'affirment les historiens, les signes du zodiaque et le calendrier du Zodiaque seraient originaires de Babylone, les malgaches ont donc bien pu les hériter de leurs ancêtres Juifs qui ont été exilés à Babylone en -587, et il est tout à fait possible qu'ils les aient renommés en les attribuant des noms araméens et hébreux.

Le « Ad » en hebreu/aramĂ©en signifie « pendant » , et le « al »en  hĂ©breu/aramĂ©en est l’équivalent de l’anglais « on »,enfin le «  ha » en hĂ©breu /aramĂ©en est un article dĂ©fini.

-Al amad (hebreu)- se lever (FAIT référence à la pâques juive)-Alahamady
-Ad Thor  (PhĂ©nicien)- adaoro
-ad zuz (paire , diviser, gémeaux en assyrien)- Adizaoza
-Ha sartan (hebreu )- asorotany
-Al hashad (araméen signifiant sanguinolant pouvant désigner le Lion)-alasaty
-ha sumbal (araméen )- Asombola
-Ad maazan (hebreu)-adimzana
-Al aqrab (hebreu)-alakarabo
-Al qosh (hebreu)-Alakaosy (remarque : le mot qosh en hébreu est à l’origine du mot « qeshet » qui signifie « tendre un arc »)
-ad gadi (se prononce Jadi en hebreu yemenite ou en hebreu Irakien)-adijady
-ha daul (araméen), dalu (akkadien)-adaolo
-al hut (araméen)-alohotsy.

conclusion

Que le calendrier malgache soit d'origine arabe n'est donc pas du tout sĂ»r, Il a  aussi très bien pu ĂŞtre amenĂ© par les Juifs ancĂŞtres des malgaches.

Sources
Pour voir le lien entre l'alahamady et la pâque Juive voir
http://fr.wikipedia.org/wiki/Migrations … les_Merina

Pour Thor en phénicien voir
http://books.google.mg/books?id=KxliotW … lse-adaoro

Pour Shad  en aramĂ©en voir
http://books.google.mg/books?id=t_9NkGs … mp;f=false

Pour sumbal en araméen voir
http://conservationbiology404.blogspot. … umbul.html

Pour qosh et sa rekation avec qeshet voir
http://studybible.info/strongs/H6983

Pour voir l’origine araméo-akkadienne de dalu et de daul voir
http://en.wiktionary.org/wiki/%D5%A4%D5%B8%D5%B5%D5%AC- adalo

Pour voir hut en araméen voir
http://books.google.mg/books?id=6vAcX8p … mp;f=false

16

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

fanamarihana kely sy fanitsiana

ilay araméen resahiko etsy ambony dia ilay antsoina hoe "Judéo-araméen" na araméen fitenin'ny Jiosy ary ilay chaldéen dia ilay dialecte araméen fitenin'ny kaldeana , samy araméen zany ny chaldéen sy ny Judéo-araméen fa dialecte samihafa fotsiny ireo.

ary ilay "talat" dia hita amin'ny teny chaldéen koa amin'ny forme hoe "telath" .

ary azafady fa diso ahy fa tsy "rbiy" ilay izy fa "Rbia"

ary tsy khamisy ilay izy fa "khamishiy".

ary hita amin'ny teny judeo-araméen daholo avokoa ireo teny rehetra ireo.noho izany sady Judéo-araméen no chaldéen ireo teny rehetra izay nolazaina fa kaldeana fotsiny na judeo-arameana fotsiny @ anaram-bolana sy andro ireo.

misaotra betsaka

17

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

azo lazaina hoe kaldeana daholo na arameana daholo izany ireo anaran'andro rehetra ireo, ary teny iray ihany no nangalana azy.