Sujet: Sabotsy sa Asabotsy ?
Misy teny maromaro nolovaintsika avy tamin’ny teny arabo. Anisan’ireny ny anaran’ny andro amin’ny herinandro.Raha manisa amin’ny fiteny andavanandro ny arabo dia hoy ry zareo : ouaihed, tninn, tleta, arbaa, khamsa, sita, sabaa, etc… izany hoe “1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, etc…”. Rehefa asiana mpanondro (article) eo aloha dia manome filaharana : al ouaihed, al tninn, al tleta, al arbaa, al khamsa, al sita, al sabaa, etc…, izany hoe “le 1er, le 2eme, le 3eme, le 4eme, le 5eme, le 6eme, le 7eme, etc”. Ireo koa no ampiasain-dry zareo anondroana ny andro amin’ny herinandro, afatsy ny fahaenina tsy nataony hoe “al sita” (fahaenina) fa “al djoumouaa” (ny andron’ny vahoaka”), izany hoe andro fandehanan’ny olona miozolimanina mivavaka.Koa raha ireo fiavian'ny teny ireo no dinihina dia toy izao manaraka izao no tokony hanoratana ny andro amin’ny herinandro : alahady, alatsinainy, atalata (fa tsy “talata”), alarobia, alakamisy, azoma ( fa tsy “zoma”), asabotsy (fa tsy “sabotsy”).Ny fahazaran-dratsy amin’ny fiteny andavanandro no nahatonga ireo hadisoana amin’ny fanoratra ireo. Ny “to’to-bato” lazaina amin’ny fiteny mahazatra io rehefa soratana marina dia hoe “tohatoha-bato”. Toy izany koa ny “ol” (olona), “mil” (milina), sns… Tian’ny Malagasy tokoa ny mitelina vanin-teny (syllabes). Miatomboka amin’ny litera “A” avokoa ny fanoratra ny andro amin’ny herinandro amin’ny teny malagasy. Ny amin’ny teny frantsay miafara amin’ny “DI” daholo (afatsy ny “dimanche” nataony eny aloha ny “DI”). Ny andro amin’ny herinandro amin’ny teny anglisy sy ny teny hafa rehetra koa dia manana io zavatra iraisana io.Fehiny : ATALATA no izy fa tsy “talata”, AZOMA fa tsy “zoma”, ASABOTSY fa tsy “sabotsy”. Ireo andro telo ireo no tena be mpandiso.