Sujet: roa volana izay
15 novembre 2009
15 septembre â 15 novembre. Roa volana anio no nampidirana ahy an-tranomaizina noho ny fidinako teny Ambohijatovo. Du 15 septembre au 23 octobre teny Antanimora, ary nanomboka ny 23 octobre teto aminâny HJRA.
Herinandro lasa koa izao ny nanaovana sonia ny « acte additionnel » tao Addis-Abeba kanefa dia mbola tsy misy mangirana ny aminay gadra politika. Tsy ny fifamelan-keloka ve no tokony hatao mialohanâny fananganana governemanta sy ny fanendrena ireo mpikambana rehetra aminâireo andrim-panjakana sy fikambanana isan-tokony ? Ary dia noho ny heloka tokoa ve no antony itazomana anay aty am-ponja ? Toy ny fitakiana ny rariny sy hitsiny nataonâireo mpombanâny tsy faly taminâny fitondrana teo aloha no nataonay koa nandritra ny volana maro. Tsy mitovy anefa ny fijery arakaraky ny toerana misy ny tena : ny mpanao fihetsiketsehana dia milaza fa mitaky ny rariny sy ny hitsy, fa ny mpitondra kosa dia mitsara fa mpikorontana sy mpanelingelina ary mpitangorona aminâny tsy antony ireo mpanao izany, ka noho izany dia meloka. Fisaka tokoa ny rariny hoy ny fiteninâny Ntaolo. Izay tokoa no nanasingĂ nĂ na tao anatinâny maro ireo mpanao sonia tany Maputo sy Addis-Abeba mba hahita izay marimaritra iraisana hiverenana aminâny âlĂ©galitĂ© constitutionnelleâ. Ka tsy rariny ve raha votsorina miaraka aminâny vava ireo voafonja rehetra ? Homena fahafahana vonjimaika (LP) avy hatrany izy ireo, fa ny procĂ©dure (fitsarana, etsâŠ) raha ilaina, manaraka ihany. Miandry ny fitsangananâny governemantanâny tetezamita vaovao hono ny zavatra rehetra⊠fa maninona ?
Mandritra izany fotoana izany, etsy andaniny dia mbola miantsoantso ny eny aminâny Magro, ary ankilany kosa miantsy sy manao angoantenda ireo mpanaty rĂ -kena eo anivonâny « radio » sasantsasany. Mitazana ny mpanao gazety. Mampionontena sy very fanahy mbola velona ireo vahoaka tsy mandady harona. Ary ny gadra kosa dia laninâny kisoa eny Antanimora sy Tsiafahy. Mampalahelo, maha te-hitraotra indraindray.
Miangavy anareo efatra mirahalahy, (PrĂ©sident, Co-PrĂ©sident roa ary Premier Ministre) hamaha haingana ny olana izay misy eo aminâny fananganana ny governemanta. Fantatra fa tsy mora izany, kanefa araka ny voalaza etsy ambony, dia notsogaina tao anatinâny maro ianareo ka mahatoky ny fahendrenareo izahay vahoaka sy mpanao politika.
Aza manaiky terenâizatsy na zaroa ianareo fa ny fanahy sy eritreritrareo (en votre Ăąme et conscience) no hirosoanareo sy handraisanareo hevitra.
Aza adino fa tsy ny fahefana â izay mitondra aminâny fakam-panahy ka mety hampiasaina aminâny zavatra tsy izy â no zava-dehibe mandritra ny tetezamita fa ny fametrahana ny hevitra sy ny rafitra rehetra hidirana aminâny repoblika faha-IV (raha izay no filazanâny maro azy). Inona avy moa izany hevitra izany ?
- Fiaraha-monina toy inona no irintsika hiainana sy avela aminâireo taranantsika ?
- Ahoana ny fifandraisanâny teknika enti-mamokatra sy ny fiaraha-monina (social) ?
- Inona sy hatraiza ny fahefanâny fitondrana na Etat ?
Ireo kÎmisiÎna toy ny CES sy indrindra ny CRN no hamahavaha ireo fanontaniana ireo; indrindra koa ny « assise nationale » izay tsy maintsy hatao ao anaty fotoana fohy.
Tsy tora-po no ilaina aminâizany fa ny famaliana ny teboka voalohany : « vision et projet de sociĂ©tĂ© » iraisana. Maro ny hevitra mety hivoaka kanefa kosa dia tsy maintsy mametraka fototra iraisana ny mpizaika.
Maika daholo ireo zavatra ireo ary efa fohy aza ny fotoana. Raha fitadiavan-toerana no mahamaika dia ny hiazakazaka any aminâny fifidianana no mibahana ao an-tsaina : « assise » anarany fotsiny no hatao ary lalam-panorenana vonjimaika no asaina hankatoavinâny vahoaka. Tsy ho voasoroka hatrany aminâny fakany ny tarazo fanao taloha ary dia ny teo ihany no eo. Aza hitako anie izany ! Tsy tokony ho very fanahy mbola velona ny vahoaka fa kosa mahalevona ny zava-nitranga hatraminâizao ka mahalala ny lĂ lana tian-kizorana : mendrika hajaina ny vahoaka ka tsy ireo diso aoriana fifoha indray (extrĂ©mistes) no homena lĂ ka.
Vita ny sonia tany Maputo sy Addis-Abeba kanefa mbola tsy tafavoaka ny ala isika.
ï¶ Koa mitaky aho ny :
1. Hamoahana miaraka aminâny vava ireo rehetra voafonja noho izy ireo voarohirohy taminâizao raharaha 2009 izao, araka ny notinapaka tany Maputo, nohamafisinâny fanaovan-tsonia ny fifanekena fanampiny tany Addis Abeba.
2. Hananganana haingana ny governemanta tetezamita mba hiatrehana ny tena ventiny fa tsy lany andro aminâny sasiny.
ï¶ Hofanamafisana ny fitakiako dia manomboka ny « grĂšve de la faim » aho anio aminâny 6 ora hariva (ora nidirako teny Antanimora taminâny 15 septembre 2009).
RAHARINAIVO Andrianantoandro