1

Sujet: Sabotsy sa Asabotsy ?

Misy teny maromaro nolovaintsika avy tamin’ny teny arabo. Anisan’ireny ny anaran’ny andro amin’ny herinandro.Raha manisa amin’ny fiteny andavanandro ny arabo dia hoy ry zareo : ouaihed, tninn, tleta, arbaa, khamsa, sita, sabaa, etc… izany hoe “1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, etc…”. Rehefa asiana mpanondro (article) eo aloha dia manome filaharana : al ouaihed, al tninn, al tleta, al arbaa, al khamsa, al sita, al sabaa, etc…, izany hoe “le 1er, le 2eme, le 3eme, le 4eme, le 5eme, le 6eme, le 7eme, etc”. Ireo koa no ampiasain-dry zareo anondroana ny andro amin’ny herinandro, afatsy ny fahaenina tsy nataony hoe “al sita” (fahaenina) fa “al djoumouaa” (ny andron’ny vahoaka”), izany hoe andro fandehanan’ny olona miozolimanina mivavaka.Koa raha ireo fiavian'ny teny ireo no dinihina dia toy izao manaraka izao no tokony hanoratana ny andro amin’ny herinandro : alahady, alatsinainy, atalata (fa tsy “talata”), alarobia, alakamisy, azoma ( fa tsy “zoma”), asabotsy (fa tsy “sabotsy”).Ny fahazaran-dratsy amin’ny fiteny andavanandro no nahatonga ireo hadisoana amin’ny fanoratra ireo. Ny “to’to-bato” lazaina amin’ny fiteny mahazatra io rehefa soratana marina dia hoe “tohatoha-bato”. Toy izany koa ny “ol” (olona), “mil” (milina), sns… Tian’ny Malagasy tokoa ny mitelina vanin-teny (syllabes). Miatomboka amin’ny litera “A” avokoa ny fanoratra ny andro amin’ny herinandro amin’ny teny malagasy. Ny amin’ny teny frantsay miafara amin’ny “DI” daholo (afatsy ny “dimanche” nataony eny aloha ny “DI”). Ny andro amin’ny herinandro amin’ny teny anglisy sy ny teny hafa rehetra koa dia manana io zavatra iraisana io.Fehiny : ATALATA no izy fa tsy “talata”, AZOMA fa tsy “zoma”, ASABOTSY fa tsy “sabotsy”. Ireo andro telo ireo no tena be mpandiso.

2

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Marina dia marina tokoa ary misaotra anao nanome ireny fanazavana sy fanitsiana ireo. Indrindra momba ny Al djomoa (Azoma) izay vitsy mpahalala.Hatraiza kanefa no tokony iverenana ny fiavian'ny teny raha te hanoratra @ ny teny malagasy fampiasa anio?

3

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

ary ahoana indray ny momban'ny Alamady sy ny alakosy sy ny sisa mba omeo fanazavana misimisy hoe raha misy mahay ianareo Misaotra mialoha

4

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Tena marina ireo zavatra nolazainao ireo, saingy izao: ho sarotra ny handresy lahatra ny malagasy fa toy izao no tena izy   misaotra betsaka

5

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Marina fa nolovaina tamin'i teny arabo ireo andro voalaza, saingy kosa tsy avy amin'ny fanisana arabo fa ny andro arabo mihitsy. Raha mahay mamaky teny arabo ny tenanareo dia ho hitanareo fa samy hafa ny fanoratana ny "al ouad" izay midika tokoa ny voalohany, sy ny "al ahad" izay Alahady amin'ny andro arabo izay nolovaintsika, ary ny andro enina sisa dia torak'izany koa. Momba ny Alahamady sy ny Alakaosy indray, dia avy amin'ny teny arabo ihany koa. Ireo dia filazana ny fotoana nahaterahana( signe astrologique). Ary ny olona teraka alakaosy dia mahery andro, fa ny alahamady kosa dia olona tsotra tsy sarotiny, fa tsy midika akory fa ny alakaosy olona sarotiny fa tsy mora manaiky. Misaotra anareo sy mahereza

6

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Mahafinaritra tokoa ny fanazavanao fa mba ilako fanazavana aminao koa ny fampiasana ny hoe, Ambony sy ny Lasa amin'ny hoe herinandro ambony na hoe herinandro lasa Tsy dia mba heno matetika intsony manko ny hoe herinandro lasa fa hoe tamin'ny herinandro ambonyMisaotra anao

7

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Ny teny hoe Sabotsy dia avy amin'ny teny hebreo hoe shabbat .Andro fahafito ao anaty Baiboly.Mazava ho azy izany fa sabotsy no akaiky azy kokoa noho ny asabotsy .Avy eo anefa dia afaka manova sy manorina araka izany fitsipika eritreretiny ny rehetra.

8

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Raha miteny andavanandro, ny "ol", azo atao koa hoe "olo", na "olona", tsa manovan'ny hevitry ny teny io fa fomba firesaka. Tsa magnahy raha azon'ny gasy hafa ary tsa mandona ny hajany ny tianao lazaina.  Lehe tsa mazava ny tiako ambara dia manaova resaka aha tegny antsisin' Andavamamba @ prezida Ravalomanana dia jereo lehe hajainy ny hevitrao.Ara-tsoratra kosa, soa ihany fa efa misy ny lalana fanoratana teny malagasy. Ary tokony arahina izy io, lehe tsy izay mantsy manjary vary amin'anana ny teny gasy, ka ny "tarehy" any amin-drangaha mety hoe "vody" egny amin'ny hafa, dia mety manozona ny fihavanan'ny malagasy izany. Hoatra lehe mangata-bady an-tsoratra roky, dia mantsy @ ray hoe "tsara tarehy ny zanakao". Veloma ry malala o.Ny sinoa ro nahita hevitra tsara. Na samihafa ny fiteniny (mandarin, cantonais), mitovy ny fomba fametrahany ny heviny an-tsary (fa tsy an-tsoratra), ka na dia tsy malala izay tenenin'ny olona eny avaratra aza ny tatsimo, atao sary fotsiny ny tiany holazaina.

9

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Alainr7.

Misaotra anao Andriamaheninjafy Solofo niezaka nikaroka araka izay tratranao ny @ fiavian-tsika Malagasy. Tohizo fa tsara aza kivy dia ho hitanao tokoa ny tena marina ary tsy ho matiantoka ianao.

Amim-panetretena   lehibe no itondrako izao zava-niafina hatrin'ny ela izao eto:
   
Sabotsy sa Asabotsy ?
« le: 28-08-2002 à 11:22:00 »
    Citer en réponseCitation
Isika dia tsy nandova velively   teny   avy tamin’ny teny arabo. Raha ny momba ny  anaran’ny andro amin’ny herinandro dia no tena marina: ny teny arabo dia avy amin'ny teny hebreo no niaviany .Raha manisa  ny hebreo dia toy  izao : Ah'ad/Ah'at, Sheni/Shinaim, Shlosha, arbah, khamisi, shishi, shevi, etc… izany hoe “1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, etc…”. Koa satria hatramin'ny nanaovan'Andrimanitra ny lanitransy ny tany dia n° no nitononany ny andro tsirairay (andro 1°, andro 2°..........andro 7°) Dia nasiany mpanondrdo nialoha ireo n° fito ireo "Al"  "sur" ny dikany,  dia manome filaharana : Alah'ad, Alshinaim, Talet, Alarbah, Alkhamisi, Zoma,shabat. Ny Talet dia avy @ teny Babiloniana satria babo tany ny zanak'Israél , ny hoe Zoma kosa dia avy @ teny hebreo hoe "zeh iom ariv shabat" izany hoe: ity ny andro fiomanana @ shabat" dia no hafohezina fotsiny dia lasa "z o m a". Ny  Shabat dia avy @ teny hebreo hoe Shiv'at (faha fito) ny b indraindray miova v na mifamadika @ zany.  .Fehiny : TALATA no izy fa tsy “atalata”, ZOMA fa tsy “azoma”,  SABATA fa tsy “sabotsy” na Aasabotsy.  Misaotra mazotoa mikaroka e! Lalina ny tantarantsika Malagasy.....

10

Re: Sabotsy sa Asabotsy ?

Tsy important