1

Sujet: Fanahy

"Ny fanahy no maha-olona..."FA moa ve tsy fiaraha-monina no mamorona ny fanahy,ary tsy ny fiainana no mampisy azy?Dia ahoana no lazaina fa hatrany am-bohoka izy io?

2

Re: Fanahy

Raha tsy hanitatra ny fanazavana aho dia ataoko fa marina ny filazanao saingy tadidio nefa fa ny tsirairay samy manana ny fanahiny:f-an-AHY.F'ireo an'i tsirairay ireo kosa no mitambatra ary nanana toetra iombonana teo amin'ny olombelona; ka nanome ilay fanahy maha-olona. Ity farany moa dia samy asongadin'ny kolon-tsaina na vakoka araky ny toerana nihavian'ny tsirairay

3

Re: Fanahy

Raha vao miresaka fanahy amiko dia miteny hoe zanahary izay nandrindra izao tontolo izao, ka rehefa fanahy zany maha olona dia ilay toetra itovizan-tsika amin'andriamanitra no tokony iainana sy aseho amin'ny manondidina. Satria raha lazain-tsika maneho fitiavana ny andriamanitra, dia isika koa ange afaka maneho fitiavana, izay lazaina fa toetran'andriamanitra.
raha mahalaina anao ny fahafantarana izany hoe FANAHY NO OLONA izany dia mangataka aminao mpamaky hifanakalo hevitra amin'ny laharana antarobia:0331462502