1

Sujet: Malagasy miavona, 2ème partie

Tena marina tsy misy azo kianina ireo voalazanareo ireo, tena mahagaga sy mampalahelo.

Nt tenako dia mpianatra tany FRance, tany Paris no tena marimarina kokoa, tsorina aminareo fa tena sarotra be ny fiaraha-monina samy eo @ malagasy any France, miavona sy be fialonana be ny gasy.

Nefa jereo ireny afrikana sy ireny arabo ireny, tena misy solidarité be mihitsiny.

Ny loza dia izao, maro ireo chefs d'entreprise mahalala tsara fa tsy mifankatia ny malagasy, ka izany no nahatonga ilay fiteny hoe: "il ne faut jamais mettre 2 malgaches dans votre affaire".

Efa tany afrika koa aho, tany Côte d'Ivoire, ny any vao mainka tena loza, tena tsy mampino, nefany anie dia olona tsy dia mankaiza ry zareo any eh, azafady fa sao dia ... ny sasany eo aho.

Ny tena loza any Côte d'Ivoire dia ireto gasy mifanimba sy mifandoto, efa maro hono ny procès eo @ samy gasy eny @ tribunal, loza eh !

Ny haine tribale sy ny racisme mô de tena reccord raz-malagasy.

Izay ary alô fa @ manaraka indray.

N.B: étudiante taloha tao @ département Economie ny tenako.

2

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Manahoana daholo eh!
  Vao sambany nanokatra an'ity takelaka ity aho dia manoratra eh!Tsy dia fantatro loatra ny tena vontoatin'ny lohateny fa dia mba te handray anjara.Tiako ny mifanerasera sy mifanoratra @ teny malagasy tsisy fangarony na dia mipetraka sy monina aty an-tany lavitra aty aza ny tena.Misy ary betsaka tokoa eto an-dafy ny Gasy miavona izay tsy fantatra mazava ny antony fa dia mialaala "pas" ry zareo rehefa sendra mifanena ary tsy te hifampiresaka @tena.Asa re!!! Inona no antony.

3

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

dia marina ireo voalaza ireo fa dia miheritrereta ianao ra malagasy fa taraiky eo tadidio fa atyan tanin olona isika fa raha tompony moa maninona.enyary aloha e....gasy

4

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

inona no mety antony?
matahotra ny hifanerasera satria sao dia misy mifosa rehefa any aorina ny fiainany, ny gasy manko be mihintsy ny be fialonana,sy hypocrite, mody hoe namana , nefa tena manatsatoka antsy ao ambadika.
ny gasy koa manana tendance sauvage raha vao misy olona fotsy eo, dia aleony mitsoka toa izay miresaka.
efa taona 2004 izao, ka ialao izany ry gasy malala fa mahamenatra sy mahakivy.Ny toe-tsaina mihitsy no tsy maintsy ovaina, dia androso ny gasy rehetra e!

5

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

marina io resaka nolazain'ilay gasy any NewYork io.mampalahelo fa tsy mety afaka izany toetra izany.
misy koa ny tsy manaiky gisitra hono,tsy manaiky ambany noho ny gasy hafa, ao koa ny mafimafy ady, tsy ampy ny vola miditra, ka tsy maharaka ny rendrarendra isan-karazany, ao ny tsy manana papier en regle dia aleony mitsoka .
Ary rehefa tonga any dago dia miseho ho favy daholo nefa tsy mankaiza mihitsy.
enfin, betsaka ny antony, tokony ho fantatrareo mamaky.Izay mahatsapa fa manao an'izany dia tokony andinika ny tenany tsirairay.

6

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Mba  sambanyaho nijery ny forum amin'ity tranokala ity.
Mahavariana tokoa ilay resaka fifandraisana samy malagasy aty dilam-bato. Toa tena poizina ny mifandray amina malagasy. Nefa anie malagasy tia fihavanana fa tsy mahay miaraka. Mahita ireto mpiavy hafa firenena ny tenako dia gaga fa mifanampy ry zareo fa isika kosa indrisy, mifanatsatoka antsy am-bavafo ka tsy mahate-hiherika akory aza raha mandre hoe misy gasy atsy.Ny zavatra fantatra dia tsy mora ny miaina aty an-tanin'olona ary misy foana fotoana mandalo ady mafy amin'ny fiainana. Mila fifanampiana. Io matetika miteraka fifanaratsiana, misy manampy sady mamely kobay moa misy ny avy hatrany dia mamely sady tsy manampy. hany herin'ilay mila vonjy manantona olombelona avy amin'ny firenena hafa mba misy fanahy. Osssy e ra malagasy be fivoarana , tsara haingo tsara anarana.......

7

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Manahoana daholo ry malagasy havana! hiezaka hanoratra amin'ny teny gasy ranoray ny tenako na dia somary henjana kely aza izany;
ny tena marina dia ny tsy fizakantsaina izay toetran'ny vahoaka malagasy amin'ny ankapobeny no sakana lehibe mahatonga ny fahatahorana ny fifaneraserana amin'ny hafa ary rehefa tsy afaka mitsikera ny fiainan'ny hafa vondronolona anakiray dia ao anatin'ny vondrona misy azy izy no manampatra;
efa ho 108 taona izao no nalentika tao antsainy malagasy ny fiasamihafana eo amin'ny samy ponin'i Madagascar, nalentika tao antsainy fa ny fifangaroana amin'ny hafa dia makana ny fivoarana; ohatra ny malagasy mahantra tsy mifangaro amin'ny manana, ny afovoantany tsi mifangaro amin'ny tanindrana, kanefa rehefa tonga aty an-dafy dia tsy mitombona intsony izay rafitra izay; nohon'ny toe-javatra misy dia, ny malagasy, sady tsy tafiditra anao anatin'ny mpanana no tsatiditra ao anatin'ny faribolana vazaha no sady tsy te  hifandray amin'ny mahantra;kanefa ny mahantra voalohany hifanena amindra malagasy dia ny malagasy toa azy ihany, hany ka ato izay tsi hifandraisana amin'ny mpiray tanindrazana, ny mandositra aza atao;
tonga amin'izay angamba ny fotoana ahatsapan'ny gasy fa iray fiaviana isika ary ponina ohantrin'ny ponina rehetra, afaka mirehareha amin'ny maha malagasy antsika; izany fireharehana izany no tsy hananantsika, izany mahatongatsika tsy mivondrona, tsi mifanampy ohatrany amin'ny mponina hafa: Afrikana,Arabo,Sonoa, Karana.....!
tsy manome lesona akory ny tenako fa mba tafintohina amin'ny toetran-dramalagasy ka miezaka mamakafa ny mety ho antony mahatonga izany,
misaotra ny pandray an-jara ary amin'ny manaraka indray,
Andriatsiarafa

8

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Tena marina izany fa mifampialona ny samy malagasy. Ny antony angamba dia tsy misy ny ohatra tsara na réference hoy ny vazaha ka tafita fantatr'olona, any andafy fa toa mipetraka ao antsainan'ny malagasy fa ny mpanao affaire sy ny ratsy fanahy mpanao tsolotra any Mcar no malaza kanefa ireo no tena malaza hoe gasy hono. Mahafantatra betsaka malagasy anefa aho fa tsy ratsy saina izany, na avy aiza ny niaviany aty Mcar  ka mipetraka any France, nefa manana situation tsara fa tsy malaza.  Raha tsy ny fanjakana na misy volonté politique mihitsy mi-favorisé ny image ny malagasy diaspora  tafita fa tsy ireo mpanao affaire mpanao tsolotra ireo no ao antsaina, dia mbola mifampiahiahy ny samy malagasy Mba mijeré positif isika samy malagasy ka avelao ny fijaliana.

9

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

tena mahagaga tokoa , raha ianao no mandeha eny an dalana ka mifanena @ gasy ka miseho miarahaba dia tonga dia hoe Gasy Vao Tonga iny , miarahabahaba foana toy ny gasy vao tonga hono , io ohabolana malaza be aty

10

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Mahaliana antsika eto @ madatsara mihitsy ny fifandraisana misy aty ivelany indrindra eo @ samy malagasy.

11

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Manao ahoana daholo izay mahatsiaro tena fa MALAGASY .
Ny havonavona, ny fialonana,sns.......toetran-draolombelona
fa adalan'izay mampihatra izany @ tenany . Indrindra isika aty tany lavitra aty . tadidio fa na inona ataonao dia misy valiny daholo.

12

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Marina avokoa ireo voalaza ireo, fa raha ny tenako manokana dia nanenina tongotra aman-tànana miara-monina @- na Malagasy sy nanampy Malagasy. RATSY LOHA, NO MAMPIDIDOZA!!!!!!!
Mila fantenana tsara izay olona azo antoka sy ahatokisana hafaka hiara monina tsy ham-pisy rahoraho.
ô ry mpiray tanindrazana ô! mbola lehibe eto Europa ka ze toerana zara raha misy malagasy ihany iainana. Raha vao fantatrareo fotsiny hoe misy ao @ toerana iray , na dia iray fotsiny aza dia HIALAO LAVITRA

13

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Miarahaba an-tsika rehetra!!!
marina tsisy kianina daholo re voalaza retraretra ireo hoe miavona ny gasy.
FANOTANINA 1: inona no antony mapiavona ny gasy aty andafindrika aty
trotra ny valiny: mievitriny tenany fa efa tafita sy ho manakarena izy. efa doto ny fahantrana be loatra
tany DAGO tany reo ka vo manana ny ampy kely dia manitrakitro. za milaza eto zao dia eto ITALY tsoroko @nareo mpamaky fa ny gasy eto @toerana misy ahiko efa eo @40 isa eo. reo tompoko dia mifapiatraravelatsihy fotriny rehefa miresaka. sasany zany rehefa mba mifanena @nao dia hifosa gasy namany iany no atony MAPALAELO E! MBA MISAINA RY RETO A!

14

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

toetran'ny gasy ny miavona,miseho manan-kambo anefa tsy mahatakatra izy ireo fa izay ahilikilika ihany no mety ahavonjy any aoriana.Tsy mahay mifandefitra fa fialonana no mipetraka ao an-taina.Tsy mba faly @ fahasoavana miditra @hafa izany fa vao sendra itsikian'ny vintana ny namana iray dia efa ahitana resaka be.Hahatonga aiza re ry gasy ny toe-tsaina ratsy?mivavaha fa Jesosy ihany no ahavonjy sy hanafaka,isika mandalo ihany eto fe raha hoe harena no mahatonga izany dia mety mba hiteny ihany aho hoe:atao inona milliards tsisy Jesosy?zava-poana fa vitany ny manafoana izany eo am-pelatananao ao anaty indray mipi-maso.
Mandiniha kely anie e!izy no manome antsika isan'andro io na ny aintsika fotsiny aza dia avy aminy. asa!ianareo ihany io aloha e!!!

15

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

ôtran' gaga aho mamaky ity zavatra ity, maro nomilaza hoe: mifankatia ny gasy rehefa any ivelany, nefa nareo tany milaza contraire,
fa maninona ts tokony hoe: hifampiaro aza vé?

aiza le hoe: fihavanana malagasy é!!
sa resa-be fotsiny

16

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Manahoana daholo nareo, zaho mantsy gasy eto france.  Marina daholo ireo rehetra voalazanareo ireo, fa ny aty sarotra ny hiavanana amin'ny gasy.
Efa misy 4ans zaho no tonga ato fa dia mbola tsy manana namana hatramin'izao, izay namako dia mivadika amiko daholo, noho ny fialonana maro samy hafa.
Mba ahoana re no tokony hataoko hahitako namana tena namana?
Soa no manoratra eto.

17

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Rehefa tsy mety ny mifanerasera mivantana de mifaneraserà amin'ny mailaka aloha e!
Za aty Belgique fa ny gasy nifanena tamiko aloha hatreto tonga dia miresaka tsara daholo, ny vadiko tsy gasy ary izy indray aza no tonga dia miteny gasy kely izay mba fantany ataony henon'izay olona hitany manana endrika gasy eo akaikinay eo dia tonga dia miresaka avy eo mety misy matahotra hiavonavonan'ny sasany koa angamba dia tsy sahy miresaka e

18

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Aza de be resaka nareo any andafy reo na hoe iavona fa tena mandreraka e! Tsy misy ohatran'ny eto Dago ihany ny fiainana. Sa rehefa any andafy de hiseo hoe inona? ... raha tsy faly na hoe raha tsy fiert ianao fa Gasy ny olona eto milamina tsara fa nareo anie any mba manandrama tsy mias e! de hisy kaly hiditra ao am-bavanao eo nefa aty an- tànana mamboly de voky tsara de ny dikan'izany aza miseo milay fa ny pokona rehetra mijanona eto Dago tsy gaigy daholo akory samy manana daholo raha vola no hijerena ny fiainan'ny tsirairay....
(Ce post a été modéré. Merci de tenir un langage respectueux sur ce forum)

19

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

manaôna daolo!
resaka toetsain'ny gasy angamba no resahana fa tsy mivoana otran'le ranamana eo ambony!
Tena mahalasa sainamintsy ny fihetsika sy ny toe-tsaintsika Malagasy:
tsy haiko hoe tena efa potiky ny fahantrana ve sa dia efa inono loatra?

Raha araka ny hevitro:
Ny ankamaroan'ny gasy raha vao miala ao Dago dia efa mihevitra oe tafita hany ka somary manainga soroka rehefa mba mifanena @nagasy hafa!...nefa ange ny ankamaroany dia tena zara raha mahatahiry kely e!znay oe maharaka ny zavtra rehetra en vogue kosa izy!

NY sasany mitsoaka gasy satria matahotra angamba izy oe andeha hangataka ilay gasy hafa???  hi!hi!hi
mampihomehy le izy fa misy de resahana!
fa ny tena gravy de somary mifamingampingana izay ilay Malagasy!
tena marina mihitsy ilay hoe:" ORY HAVA MANANA"
Na izany aza aefa dia misy ireo Gasy tena tia sy tena saro-piaro@ fihavanana fa tsy izay gasy rehatra aty an dafy akory dia mitovy daholo!!
mankasitraka e!!

20

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

manaona e ,inona ny vaovao ;ny gasy dia mpatsara velatsihy tsisy adihevitra ;nefa anie dia misy vendrana e sa ahoana hoy ianareo

21

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Miarahaba anareo ! za aloha de efa nahita ny haratsitoetran'ireo gasy sasany izay noheveriko fa namana taty andafy ka tena fay tanteraka e! aleoko ihany @ zao tsy manana namana gasy, raha hanao namana de namana vazaha !

22

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Manahoana daholo ho an'ny mpiray  tanindrazana aty andafiringa ,
Marina tokoa  fa  miavona  isika  Malagasy , miseho milay  nefa tsy dia mankaiza  , matahotra hidirana an-trano  , hangatahana ....sns dia izany  no mahatonga an'izany na ny  mpihavana aza tsy mifampiditra trano  nefa havana , manana  toe-tsaina ratsy  isika Malagasy tsy mba ohatry ny  tavaratra , afrikana mifanampy amin'ny rehetra  ilaina amin'ny fiainanana .
Rehefa misy fety  na olana na fahoriana dia mifanampy  ry zareo .
Raha tokony ho izy dia tokony hiray  isika nefa hatao ahoana , izay no fantatr'ireo  malagasy manao an'izany!

23

Re: Malagasy miavona, 2ème partie

Bonjour daholo,

Izaho aloha dia efa ela mihitsy no gaga @ ireo gasy vazaha ireo e! Misy rivotra maha-ratsy loha mihitsy angamba mitsoka any andafy any.
Namana ve? Havana ve? Mpiray tanindrazana ve dia hiavonavonanao? Fa dia nahoana mihitsy... Sa mitondra automobile tsaratsara ianao, dia mandray euro vitsivitsy sa manao villa misy piscine ao Paris?
Essssssse! aleo aho hihomehy!

Veloma tompoko