1

Sujet: GASY TE HO VAZAHA

Mbola tsikaritro foana hoy aho hatramin'izay nahavory saina ahy izay fa be ny Malagasy no te ho vazaha.

Manao teny vary @anana.

Tsy hoe tsy fahaizana voambolana anefa no anaovana izany fa( araka ny fahitako azy an!) fizahozahoana na koa fitsiriritana ny hafa.

Izy io tsy hoe isak'izay mahatsiaro dia miteny vary@anana fa misy fotoana. Ohatra rehefa eny imasom-bahoaka (fety, fampirantina, fanasàna...). Tsy zakako mihitsy aloha ny olona manao izany matoa hitarainako eto e! Ny hàny mba azoko ambara @ izy ireny fotsiny dia ny hoe "Na mahafehy ny tenin'ny hafa mihoatra azy tompony aza ianao dia tsy hitovy @ mihitsy akory." Sady ny teninao aza tsy voafehinao ka inona no hilingilingianao miteny ny an'ny hafa?

Tohiny... nalefa ny 04/08/2004.

Erving Goffman 'mpandinika ny fiaraha-monina) dia nandalina momba ny toetra sy fihetsiky ny olombelona (comportement*) eo @ fiaraha-monina ka mifandraika @ izay fandalinana nataony izay ny trangan-javatra voalaza tany aloha (gasy te ho vazaha tapany 1) momba ny fitenenana vary @ anana (izay sokajina ho toetra sy fihetsika eto). Raha tenenina @ fomba hafa io dia azo atao hoe fizahozahoana (na "m'as-tu vu"). Misy ny olona miteny mifangaro satria mety ho tsy hainy mihitsy ny voambolana malagasy na dia efa miezaka ny hikaroka aza izy.

Fa eo koa ny sasany minia miteny mifangaro satria fitiavana ny hiavaka @ hafa fotsiny. Ka momba izay indrindra no fikarohana nataon'ity mpandinika voalaza etsy ambony ity. Izy dia milaza fa ny antoky ny fifandraisan'ny olona roa dia ny "seho ivelany" ("face" na koa "soi" na "identité") izay asetrintsika ny olona manoloana antsika @ fomba maro (oh:miteny vary @ anana) sy @ toe-javatr na vanim-potoana samihafa(oh: fety, fihaonana...).

Manao izany hono ny olona iray satria manantena fihetsika na toetra feno fiheverana (considération) avy @ ilay olona manoloana azy izy. Raha hazavaina izany dia tsotra ihany. Miteny vary @ anana aho satria tiako hosarihana ilay olona manoloana ahy ary koa iriko ny hametrahany ahy @ toerana ambony (estime).

Tiako izany ny handraisany ahy ho toy ny olona ambony sy mihaja fa tsy toy ny fahitany ahy ivelany (bika sy tarehy).Tsy ny fitenenana vary @ anana ihany fa ireo fihetsika sy toetra amboarina sy tsy voa-janahary tao  olona iray dia anisan'ny vokatry ny fizahozahoana entina miavaka @ hafa eo ] fiaraha-monina iray.

Noho izany dia samy manana ny "seho ivelany" avy ny olona tsirairay entina mifandray @ olona fa mba "seho ivelany" mendrika ny maha Malagasy anao re aranty e! (*)Nasiana ny dikan-teny ihany teny ambony satria misy ny mbola tsy mahay ireo voambolana malagasy nefa tsara ny hahafantarany izany mba hahazoany tsara ny tiana ambara ka hiovany fihetsika sy toetra raha toa ka anisan'ireo gasy te ho "Malagasy" izy.

© - Nalefan'i Rija - mpitsidika.

2

Re: GASY TE HO VAZAHA

Bonjour, je ne suis pas née en france mais ça fait 20 ans que je vis, mes enfants sont née ici et je suis cette personne que vous aviez décrit en haut de cette réponse, je n'arrive plus à parler des fois malgache , depuis toutes petite j'étais dans des école privée mais à madagascar, et je parlais courament avec mes parents à la maison , j'ai pas trop apris le malgache donc il ne faut pas mettre tous le monde dans le bain , parce que si ont arrive plus à parler malgache c'est pas qu'ont fait exprès, mais c'est parce qu'ont n'arrive plus à parler tous simplement, moi à chaque fois je dois chercher les mot , quant c en malgache, et meme avec les phrases que vous eviez écrit en haut prèsque la moitiée je ne comprend pas , alors c'est pas du tous ce que vous pensez, je ne serait jamais française, mais mes enfants sont née ici je parle français avec eux moi meme depuis toutes petite je parle français avec mes parents donc chacun avait sa methode d'éduquer tous simplement.

3

Re: GASY TE HO VAZAHA

manao ahoana.
ny zavatra itako alo ry zareo dia misy ny olona voatery miteny frantsay(mipetraka any ivelany ohatra,mianatra any @ lycée français...) ary misy koa ny sasany te hiteny frantsay.ny tena mahagaga ary dia misy koa ny te hitovy @ ireo olona tsy maintsy miteny frantsay(vendrana b nareo ireny o stria tsy manana ny mampiavaka anareo izany nareo).ho an'ireo te hiteny vaza kosa dia tsara satria ny teny gasy marina anie tsy teny malaza ka ho afaka ampiasain'ireo mpanam-bola e!aleo anefa fehezina ny an'i hafa fa ny tenintsika andrianintsika eny ihany o!ny ho an'i ry tiana kosa dia ampianaro teny gasy kosa re ny ankizy gasy fa mampalahelo izany a!jereo moa ny sinoa ,na zato taona ary zareo aty @tsika mbola mahay miteny sinoa ihany.
Farany:tsy ny fiteny mihintsy no anavahana anao na ambany na ambony ihanao fa ny tsara vitanao omaly.
+ANDAO RY ZAREO ANTAONTSIKA FITENY MALAZA ERAN-TANY  NY TENY GASY A! @ZAY NY VAZA INDRAY NO MANANA IZAO OLANA IZAO A§ SA??? VALIO E

4

Re: GASY TE HO VAZAHA

Malagasy ny tenako ary Frantsay CATALAN ny vadiko. Mpitsabo eto amin'ny hopitaly perpignan aho. Efa taona maro no nipetrahako taty Frantsa kanefa tsy adinoko ny fitenindrazako. Faly aho manana ny teniko. Toy izany koa ny vadiko, izay miteny catalan sy frantsay.Miezaka aho mianatra ny fiteniny satria tombony ho ahy ny manana diksionera miara-matory amiko. Teraka taty Frantsa ny zanako ary itenenako gasy. Mora mandray fiteny moa ny zaza ka mahay ny fiteniko sy ny fitenin-drainy izy (Français,catalan, espagnol, indrindra Malagasy)

5

Re: GASY TE HO VAZAHA

Je réponds au message de Tiana qui m'a terriblement choqué, car, à mon avis, avant de se considérer comme maîtriser parfaitement le français, je te conseillerai de prendre des cours de grammaire et surtout d'orthographe, car, on ne peut plus compter le nombre de fautes dans ton message! A ta place, j'aurai préféré écrire en malgache même avec des fautes car c'est une langue que tu ne maîtrises pas parfaitement, au lieu d'écrire en français!
Pour moi qui suis malgache expatriée, la langue maternelle est une richesse et non une honte ou un fardeau, et en tant que parents, nous avons le devoir de l'inculquer à nos enfants bien que ces derniers soient nés à l'étranger. Moi aussi, j'étais au lycée français à Mcar, mais cela ne m'a jamais empêché de parler malgache. Bref...
À bon entendeur, salut.

6

Re: GASY TE HO VAZAHA

tiana,
marina fa zatra niteny frantsay ianao hatramin'ny fahakelinao.dia hoy aho hoe,tsy mahamenatra anao ve ny tsy mahay ny tenin drazanao?dia tianao koa ve ny tsy ahaizan'ny zanakao io teniny io.
raha misy manontany ny zanaka vazaha hoe inona ny teninareo dia hoy izy teny frantsay,ary raha misy manontany ny zanakao hoe inona no tenin drazanareo,dia ahoana hoy izy?

7

Re: GASY TE HO VAZAHA

Tiana tu dis n'importe quoi car si tu ne sias pas la langue Française comment vous alllez faire quand vous serez à l'étranger vous êtes vraiment...
ben je vous liasse mais pensez-y.

8

Re: GASY TE HO VAZAHA

slt pour melle megane qui t'as dis que je ne sais pas la langue française je vie en france je te signale .

9

Re: GASY TE HO VAZAHA

slt pour mme domoina ton remarque ne me fait ni chaud ni froid, en tous cas  ni mes enfants ni moi ne parle malgache puisque je suis mariée avec un étranger pas un malgache.

10

Re: GASY TE HO VAZAHA

dia  hoe   teny    vaza  e 

11

Re: GASY TE HO VAZAHA

zà manao teny vary amin'anàna rehefa tsindraindray, na izany aza miezaka foana ny mba hahamarina amiko ilay " andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko ".

12

Re: GASY TE HO VAZAHA

Ho an'ilay hoe tiana e. Le hoe manambady etranger; tsy menatra ve e??? Nga lasa "blanche" raha nanambady etranger??? Ntsss mbola ataon'ny vaza fôna hoe negresse é!!!! Na manambady vaza aza. Ary ny zanany maninona moa raha tsy mahay miteny gasy fa ho lasa  tahaka ireo zaza etranger hafa aty frantsa reo ka tsy hanana ny "identité"-ny fa sady tsy vaza no gasy. Mbola mahazo ny question hoe: t'es de quel origine?? Tu rentres chez toi quand etsetra etsetra!!
Tsy maninona raha zay no reviny e!! Tsy gasy tsony izy izany refa miaraka @ gasy fa vaza. Fa rehefa miaraka @ vaza ka mahazo remarque dia manindry tsara fa "si j'ai un accent c'est que je suis d'origine malgache"; Ha, ha, ha, ha. Tsy vao voaloha nanao zany enao ra-tiana fa ovay hatramin'y anarana!! Mahazo mankany @ fanjakana ianao manova io anarana tiana io fa hahitan'ny vaza "equivalent"-ny tsara ohatra Bergamote. Hi, hi, hi, hi, hi!!!!!!! De manaova "depigmentation" na "chirugie esthetique" mba hiova ho tena vaza tsara!!!!!

13

Re: GASY TE HO VAZAHA

Io ilay hoe "Tahaka ny valalan'alika, ny tompony aza tsy tia". Tena mampalahelo isika malagasy. Manana mpiara-miasa malagasy amiko aho eto Paris ary izy io dia manana sipa vazaha; rehefa miantso izy dia tsy mety miresaka teny gasy( malagasy aloha aho ary manambady vazaha). Nahatezitra azy ny nilazako fa ny teny gasy aza tsy voafehintsika ka maninona no hiteny frantsay? tsy vitan'izany fa mahamenatra na ny mihaino azy miteny frantsay aza satria ny vazaha dia tsy mahazo izay zavatra tiany ho lazaina. Ka izao re e! aza matahotra isika rehetra fa izy ireo ihany no hizaka ny talambe tsy mitapaka. Satria ny anao no hanajan'ny hafa anao. Misaotra tamin'ny nanolorana an'io lahahevitra io satria efa ela no nanitikitika ahy izy io.

14

Re: GASY TE HO VAZAHA

pour madame fara est ce que c ton problème si je parle français je suis obliger par apport à mon mari , et la copine de ton copain qui ne sait pas parler français c pas mon problème non plus, je parle français avec qui je veut et quant je veut  ok .

15

Re: GASY TE HO VAZAHA

A Tiana !

Je crois que vous avez beaucoup de problème pour, non seulement parler en français, mais aussi en orthographe !
A voir ! Je n'ia pas d'autre remarque !

16

Re: GASY TE HO VAZAHA

c pas grave monsieur ou madame jany mon problème c mon problème c pas le tien ok.

17

Re: GASY TE HO VAZAHA

"ô re olona e! ny tanjona @ ity ady hevitra ity anie dia ny hisarihana ny olona
mba hitandro ny tenindrazantsika sy tsy hanadino ny tanindrazantsika fa tsy
hampiady antsika akory e! Ka raha misy re ireo olona mahatsiaro tena ho
voakasik'ilay "gasy te ho vazaha" dia ampio izy mba hitenenany malagasy tsy
mifangaro rehefa ilaina izany e! Fa aza vao maika alentika izy. Fa rehefa kosa
nataontsika izay mety nefa mbola rano natsipy an-damosin-gana dia azy indray
izay fa tsy antsika intsony. Izay fa mahatoky anstika rehetra e!"

18

Re: GASY TE HO VAZAHA

Tiana

19

Re: GASY TE HO VAZAHA

   Mampandinika tokoa ity resaka ity. Ny hevitro ny ahy dia hoe ny rafi-pisainana ao amin'ny olona mihitsy no voadona vokatry ny zava-misy. Hoy isika hoe matetika dia ireo tsy mahafehy ny an'ny tena no sady tsy mahafehy ihany koa ny an'ny hafa no mahatonga ity trangan-javatra ity.
   Raha jerena tokoa manko ny zavamisy dia tsy mbola mahazo laka eo amin'ny fiainana andavanandro ny teny malagasy satria mahantra angamba ny firenen-tsika, mahantra olona hanome lanja an'io tenin-drazana io, mahantra fikarohana afaka mampifandray ny hasin'ny teny malagasy sy ny fampandrosoana firenena, mahantra ihany koa mazava ho azy raha oharina amin'i Etazonia sy Frantsa.
  Karazana trangan'aretina ara-kolon-tsaina mifandray amin'ny zava-misy angamba ity, ka noho izany amiko dia tsy ny fitsikerana an-dranona sy ranona no vahaolana fa ny fiaikena aloha hoe misy ity olana ity. Efa natao ny hoe teny diso tsy mba kabary fa toa tsy dia misy vokany akory. noho izany ny fijerena ifotony ny olana angamba no fanafody.

20

Re: GASY TE HO VAZAHA

Mahavariana tokoa ity resaka ity! Mahatsikaritra tokoa ny tenako fa betsaka ny malagasy miteny vary amin'anana. Misy amin'izy ireo no mipetraka lavitry ny tanindrazana, misy koa anefa no any an-tanindrazany. Ho an'ireo any lavitra moa dia voatery mianatra ny fiteny vahiny amin'ny fiainana andavan'andro, ka rehefa tena ela nipetrahana tany ve dia manadino ny "teny" na hoe "mots" sasany? Sarotra tokoa ange ny miteny gasy rano iray, fa dia ny miezaka manatanteraka an'izany no tanjona!
Iza aminareo ireo no mbola tsy nampiasa teny vary amin'anana na in-dray mandeha monja aza?
Ny mampalahelo nefa dia ireo gasy mihevitra fa mahamenatra ny teniny, ary mbola mihevitra fa ny an'ny vahiny no manan-kasina. Ireo ankizy beazina amin'izany no tena mampalahelo satria tsy mahay ny tenin-drazany akory! Ireo mipetraka ao Frantsa moa no tena betsaka manana izany fisainana izany, fa ireo any Belgique fotsiny ohatra dia latsain'ny mpampianatra ireto zaza gasy tsy miteny gasy! Ireto frantsay aza moa mba te hiteny anglisy mafy ka ny teniny aza ataony vary amin'anana...
Ho an'ireo metisy izay nampianarin'ny ray sy reniny teny gasy dia faly avokoa ny ankabeazany rehefa lehibe ka mahatsapa izany harenany izany. Ny tsy mahay miteny moa dia mitsaotsaoka ny malagasy rehefa mifanena.
Inona no mety ho tohiny?

21

Re: GASY TE HO VAZAHA

© - Rija dit :

Mbola tsikaritro foana hoy aho hatramin'izay nahavory saina ahy izay fa be ny Malagasy no te ho vazaha.

Manao teny vary @anana.

Tsy hoe tsy fahaizana voambolana anefa no anaovana izany fa( araka ny fahitako azy an!) fizahozahoana na koa fitsiriritana ny hafa.

Izy io tsy hoe isak'izay mahatsiaro dia miteny vary@anana fa misy fotoana. Ohatra rehefa eny imasom-bahoaka (fety, fampirantina, fanasàna...). Tsy zakako mihitsy aloha ny olona manao izany matoa hitarainako eto e! Ny hàny mba azoko ambara @ izy ireny fotsiny dia ny hoe "Na mahafehy ny tenin'ny hafa mihoatra azy tompony aza ianao dia tsy hitovy @ mihitsy akory." Sady ny teninao aza tsy voafehinao ka inona no hilingilingianao miteny ny an'ny hafa?

Tohiny... nalefa ny 04/08/2004.

Erving Goffman 'mpandinika ny fiaraha-monina) dia nandalina momba ny toetra sy fihetsiky ny olombelona (comportement*) eo @ fiaraha-monina ka mifandraika @ izay fandalinana nataony izay ny trangan-javatra voalaza tany aloha (gasy te ho vazaha tapany 1) momba ny fitenenana vary @ anana (izay sokajina ho toetra sy fihetsika eto). Raha tenenina @ fomba hafa io dia azo atao hoe fizahozahoana (na "m'as-tu vu"). Misy ny olona miteny mifangaro satria mety ho tsy hainy mihitsy ny voambolana malagasy na dia efa miezaka ny hikaroka aza izy.

Fa eo koa ny sasany minia miteny mifangaro satria fitiavana ny hiavaka @ hafa fotsiny. Ka momba izay indrindra no fikarohana nataon'ity mpandinika voalaza etsy ambony ity. Izy dia milaza fa ny antoky ny fifandraisan'ny olona roa dia ny "seho ivelany" ("face" na koa "soi" na "identité") izay asetrintsika ny olona manoloana antsika @ fomba maro (oh:miteny vary @ anana) sy @ toe-javatr na vanim-potoana samihafa(oh: fety, fihaonana...).

Manao izany hono ny olona iray satria manantena fihetsika na toetra feno fiheverana (considération) avy @ ilay olona manoloana azy izy. Raha hazavaina izany dia tsotra ihany. Miteny vary @ anana aho satria tiako hosarihana ilay olona manoloana ahy ary koa iriko ny hametrahany ahy @ toerana ambony (estime).

Tiako izany ny handraisany ahy ho toy ny olona ambony sy mihaja fa tsy toy ny fahitany ahy ivelany (bika sy tarehy).Tsy ny fitenenana vary @ anana ihany fa ireo fihetsika sy toetra amboarina sy tsy voa-janahary tao  olona iray dia anisan'ny vokatry ny fizahozahoana entina miavaka @ hafa eo ] fiaraha-monina iray.

Noho izany dia samy manana ny "seho ivelany" avy ny olona tsirairay entina mifandray @ olona fa mba "seho ivelany" mendrika ny maha Malagasy anao re aranty e! (*)Nasiana ny dikan-teny ihany teny ambony satria misy ny mbola tsy mahay ireo voambolana malagasy nefa tsara ny hahafantarany izany mba hahazoany tsara ny tiana ambara ka hiovany fihetsika sy toetra raha toa ka anisan'ireo gasy te ho "Malagasy" izy.

© - Nalefan'i Rija - mpitsidika.

22

Re: GASY TE HO VAZAHA

moi alou je dis ke be fialonana jiaby lé olona e.tsitako mits zé probleme na anao vary amin anana iz na anao lasopy ... ze tiany iany io sa v ianao io indrindra no mahatsiaro tena complexé?bisous à tous

23

Re: GASY TE HO VAZAHA

Bonjour,
J'ai été choqué par la grande majorité des messages postés ici. C'est à la limite du racisme.
Je me présente, j'ai 22 ans, de parent malgache, je suis né en france, je ne parle pas malgache. Et c'est normal. Je vis en France! Je ne peux pas parler une langue que j'entends très peu au quotidien. On parle la langue du pays dans lequel on vit.

Vous parlez malgache car vous avez vécu (en partie) à Madagascar. Nombreux d'entre vous utilisent de plus en plus de mot francais dans leur malgache soit disant parfait, pourquoi ? Bref je vous trouve très intolérant voir raciste!

24

Re: GASY TE HO VAZAHA

Bonjour,

Certains des messages sur ce sujet ont été effacés (propos jugés violents et intolérants) nous prions aux intervenants de ne pas reproduire les mêmes propos.

Merci de votre compréhension.

25

Re: GASY TE HO VAZAHA

rehefa mba gasy dia gasy fa aza miteny amin'ireny teny farany tsy hay (frantsay) reny zany. Rehefa samy gasy dia aleo mifanaja