Sujet: Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa
Miarahaba anareo ny tenako. Gasy vao tonga aty France aho, ary mba gaga ihany @ fihevitry ry zareo frantsay momba antsika malagasy sy ny vahiny hafa. Tsy diso angamba aho raha milaza fa misy izany fanavakavahana izany eto Frantsa. Izany moa dia tsapako @ fikambanana izay idirako sy misy aho. Tsy dia talanjona ihany nefa aho satria tsy mitovy fisainana amintsika malagasy tokoa ny foto-pisainandry zareo: indrindra fa eo amin'ny finoana, ny fomba fijery izany fiaraha-monina izany. Ka ny anontaniako anareo malagasy efa teto ela dia ny hoe: ahoana 'kay ny fomba fiatrehana izany fanavakavahana izany ry zareo. Iaraha-manaiky fa tsy vahaolana loatra ny fifamaliana, na ny fiadiana. Ny tsy firaharahiana azy ireo no vahaolana tenenin'ny maro, nefa hitako ho tsy mampivoatra ilay fikambananay izany Ilaina mantsy ny "fifanakaikezam-po"n'ny tsirairay mba hampandrosoana ny fikambanana. Koa raha efa tojo na misedra ny zavatra toy izao ianao dia mba teneno ahy hoe ny fihetsikao ? Misaotra mialoha.
Haja.