MANANKASINA= MALAGASY / MANANKASINTSARA= MADAGASIKARA
Ny teny Malagasy dia teny miaina noho izany dia maro ny fiovana mitranga isaky ny vanim-potoana samihafa. Ao ny miha tsara ao ny miha simba ao ny miova tanteraka mihintsy ny heviny
Ohatra:
1. ANTSAMOTADY: ny Antsamotady dia fitaovam-piadiana na hoe PILOTRA, kanefa raha ny tena izy dia "antsamatady" (an-samaka-tady).
2. AMPARAFARAVOLA: Anaran-tanana io. Raha ny tokony ho izy dia amparafara volo (volontsangana, bararata), teny roa mifanalavitra be ireo ( vola, volo).
3. FOANA: ilazana zavatra tsy misy na zavatra poakaty tany ampiandohana, ankehitriny anefa zary lasa fiteny @fiverimberenana sy hamaroana ny teny hoe FOANA (Tiako foana ianao)…Izany dia nalaina avy amin'ny fitenin-jaza, hany ka lasa teny roa mifanohitra hevitra no hiafarany.
Maro be tsy tambo isaina ny teny toy izany, fa raha ny hoe Malagasy dia azo heverina fa fiovana avy @ Manankasy. Dia toy izany ihany koa ny hoe Madagasikara= Manankasintsara.
Ny teny hoe Hasina aloha dia Hasy ihany, araka ny tenim-paritra.
Iaraha miaky ny fanabotolona sy fanimbana kolosaina nentin’ireo mpanjanaka teto @ valam-parihy, manginy fotsiny ireo fanambaniana sy fanapotehana ny tenindrazana.
Ny iraisan’ny rehetra na ny mpanjanaka izany na ny voazanaka dia eo amin’ny lafiny filalaovana sy fanovàna teny, fiteny, dia ny fandikana na fampifandraisana ny feo, mba hifandraika amin’ny tenin-drazany ( calque phonétique). Raha tsy hilaza afa-tsy ny: screw driver(Ang) = sokodrevo(gasy) tournevis( fr), Amin’io teny Sokodrevo io anefa dia tsy very mihintsy ireo hevitra roa: sokotra + revo, izay marihina fa ( calque phonétique) avy @ teny Angalisy.
Dia amin’ny alalan’izany rehetra izany vao maika nanamafy ny fahaverezan’ny hevitra fototra dia ny teny Manankasy izany. Satria raha zohina ireo rehetra ireo dia (calque phonétique) avy amin’ireo mpanjanaka ary nohagasiana indray avy eo ara-pomba fitenenana.
- MANANKASY dia noraisin’ny mpanjanaka ho MAL GACHE ary nohagasiana ho MALAGASY.
Azo resahana daholo ny hoe "Madegasy" sy "Malakh + gaz" sns… saingy izao ireto misy ohatra vitsivitsy mba afahantsika mandinika sy misaintsaina:
- screw driver: sokodrevo
- e.mail: Mailaka
- Internet: anterineto
- Left: lefitra
- Right: raitra sns…
Any aoriana any dia mety hilaza ireo taranaky Manankasintsara fa avy amin’ny teny Angalisy ireo voambola ireo (sokotra, revo, mailaka, anterina, eto, lefitra, raitra …). Kanefa dia tenintsika Manankasina mangarahara daholo no nampiasaina mba ampifandraika ara-keviny.
MANANKASINTSARA