1

Sujet: Taolagnaro

Misy toerana hono nahitana taolana marobe, asa taolan'ny tompotany ve sa ireo vazaha nanafika, fa dia nivangongo tamina toerana iray ka nahatonga ny fitenenana hoe: "taolana aro" izay nanjary "Taolañaro".Nony nanapakevitra ireo frantsay fa hanorimponenana tao dia nomeny ny anarana hoe Fort Dauphin ny toerana noriny voadidina manda "Fort" ka ho fanajana ilay ho mpanjakany "Louis faha16" izay mbola Dauphin, izany hoe ilay hisolotoerana. Nogasiana ho Faradofay izy io talohan'ny namerenana ny anarana gasy hoe Taolañaro.

2

Re: Taolagnaro

Fanampiana fanontanina:Moa ve taolam-balo niparitaka no nahitana azy sa mivangongo, milamina tamina toerana iray?Satria raha ilay voalohany no valiny dia azo lazaina fa vokatry ny ady.Raha ilay 2 kosa dia azo lazaina fa nisy nandevina izy ireo. Ary raha mbola misy tavela moa izany taolam-balo izany dia azo atao tokoa ny mamatatra ny taonany sy ny momba azy rehetra.Raha mitovy ohatra  ny taona nahafatesany dia azo lazaina ihany koa fa mety matin'aretina ireo taolam-balo ireo.Maro ny fanontaniana mipetraka rehefa te hamatatra ny tena marina nitranga isika.

3

Re: Taolagnaro

misaotsy râ ! dra te holy tegna mahare an-drenosy mitalily gn'atanagn'agny. Emin-dreo fa afara koa ê