Sujet: fandrana
mitady bibliographie rehetra mikasika ny teny hoe fandrana aho, indrindra ilay toerana voatondro hoe ampandrana na i Rafandrana, na ny olona mipetraka ao
Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches
Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.
Pages 1
mitady bibliographie rehetra mikasika ny teny hoe fandrana aho, indrindra ilay toerana voatondro hoe ampandrana na i Rafandrana, na ny olona mipetraka ao
Avy aty atsimo andrefana no tena mampiasa ny teny hoe fandrana. anaran-javamaniry hita eny anaty horoko (marécages) izy io, amin'ny teny siatifika dia ilay hoe "pandanus" no ahalalan-tsika azy. miavaka izy satria amin'ny zavamaniry hita rehetra eny dia izy no maro mpampiasa indrindra. afaka eritreretina ihany ny nisian'izy io betsaka teny amin'ilay toerana hoe ampandrana satria toerana ivaiva ihany ny any ...
Ny tenako koa dia efa elaela ihany izay no te ahafantatra ny dika sy foto-teny "fandrana" , noho ny fisian'izy io tamin'ny anaran'ny Mpanjaka vazimba voalohany (araka ny Tantara Ny Andriana).Izao aho vao nahita an'ity fanazavana ity, ary hisaorana indrindra ny mpanoratra; kanefa na dia izany aza tsy tena afa-po loatra, fa vao mainka manitikitika ny saina:Ilay "Atsimo Andrefana" aiza ho aiza moa izy izany? (anaran-tanàna, anaram-poko, etss..) - Ilay hoe "maro mpampiasa indrindra": inona avy no ampiasaina azy ohatra?Misaotra mialoha.
Fandrana: anaran-javamaniry (pandanus) vakoana hoy ny aty afovoantany, ahitana santionany ao Tsimbazaza. Fandrana, lakandrano fampitan-drano amin'ny hadivory vita amion'ny hazo (Faladian'nyafo ny rivotra, faladian'ny rano ny fandrana).Fandrana: firavaka nentin'ireo mponina fahiny teto afovoan-tany avy amin'ny arabo ( voahangy mitoham-pandrana)Fandrana: midika koa ho mananasy any amin'ny faritra betsileo. Mazotoa e!
Pages 1