1

Sujet: talata zoma sabotsy

samy mampiasa izay teny mahazatra azy ny isam-paritra, oh: Asabotsy ny eto anivotany fa sabotsy kosa raha any amorontsiraka

2

Re: talata zoma sabotsy

Tsy hitako loatra izay havaly anao raha raisinao ho fiziriziriana ny fanarahana sy fanajana ny fiavian'ny teny.Tsara ihany anefa ny manamarika raha izay voalazanao no arahina dia afaka am-polo taona vitsivitsy dia ho rava ny hainteny malagasy.Raha tsy hiteny afa-tsy ny ny frantsay, asa izay hevitry ny olona, indrindra ny mpitsara fanadinana, ohatra, raha misy manoratra hoe "j'veux pas de p'tites mesures" (je ne veux pas de petites mesures). Tokony tsy ho isaina ho fahadisoana izany io satria tokoa fiteny mahazatra ?

3

Re: talata zoma sabotsy

Tsy misy manao atalata, sy azoma, fa ny asabotsy no misy miteny, nefa ny tsipelina marina, dia talata, zoma, ary sabotsy, jereo ange hoe Talata ampano, zoma, eny analakely, ary sabotsy namehana e,

4

Re: talata zoma sabotsy

fiteny ny hoe mazefatra ny fotonteny dia vesatra ka raha ny momban'ny Asabootsy sy ny atalata no resahina dia azo atao ny manisy ny tsirin-teny a mba ahafahana manamba- teny  amin'ny hafa