1

Sujet: Argo malagasy

Ny niavian'ny hoe " Pezy" dia avy amin'ny teny frantsay hoe pèse ahazoana ny matoateny peser ( mandanja) enti-milaza fa fantatra tsara ny momba ilay zavatra ary voafehy tanteraka ny momba azy. Eto moa ny tiana hotenenina dia ny fahababoana vehivavy na FAHAZAKANA VEHIVAVY IRAY.Toy izany koa ny hoe asio koz, avy amin'ny teny frantsay hoe cause na resaka amin'ny teny gasy. Ny tiana hambara izany dia ny hoe asio resaka.

2

Re: Argo malagasy

Ary le hoe ''siksa'' sy ''milay'' ry zalà mba avy aiza?

3

Re: Argo malagasy

Manana ny antsoina hoe fiteny dimbaka isika handikana ilay hoe "argot" angamba

4

Re: Argo malagasy

Ilay hoe siksa dia midika hoe misaotra avy amin'ny hoe merci teny frantsay, ilazana ihany koa ny hoe milay, na tsara

5

Re: Argo malagasy

ka ny fitenitsika anie ry zalahy d mitovy @ teny fratsy ihany fa zany we fanononanao azy ihanay no samy hafa .ka ny teny retra retra nefa misy argot doholo ohatra ny sigara @ argot d we sora sodina sns....ny à vazaha d clep gareau........fa ny manitikitika ahy dia ta@ taona firy eo eo no niforonany izy io.d ahoana nynahaparitahany an ilay izy ?

6

Re: Argo malagasy

Ohatra hoe hisakafo : himotika, hisôgany, hikaly,