Sujet: FAMADIHAN-DRAZANA
araka ny fahafantarako azy t@ alalan'ny boky novakiako dia fomba nolovaintsika t@ indonésien io fomba io
Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches
Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.
Pages 1
araka ny fahafantarako azy t@ alalan'ny boky novakiako dia fomba nolovaintsika t@ indonésien io fomba io
Famadihan-drazana :Fomba fanaon'ny olona tany aloha tany, amin-dry zareo dia mitahy ny razana, rehefa tafiana lamba, mahafinaritra azy koa ny zavatra rehetra atao rehefa mamadika, toy ny misotro, mihaingo, mirehareha sns, Raha fintiniko zany dia fitadiavana voninahitra sy rendrarendra sisa ny famadihana amin'izao fotoana izao, fa efa betsaka ny olona no tonga saina ka tsy manao izany intsony ankehitriny.
tant qu'il y a des gens dont leurs morts et leurs ancêtres ont une prépondérance dans leur vie ainsi que dans leurs croyances, ce serait parler avec bien peu de légèreté et sans réflexion sur les valeurs d'une coutume que de dire qu'elle représente bien peu...Mesurer ce que vous avez à dire avant d'énoncer des inanités pareils : "avadimbadiho impito ny lelo vao miteny, tompoko".
Famadihan-drazana1. Raha azonao atao dia mba omeo nay ny anaran'ny boky sy ny mpanoratra azy nahitanao ny Fiandohan'ny Famadihan-drazana malagasy (Indonesie? Malaisie?). Misaotra.2. Ny tena olana be ho antsika malagasy ankehitriny dia raha manatanteraka fomba amam-panaon-drazana isika taranaka aty afara dia tsy mandalina sy tsy manadihady akory ny antony, ny tantarany, ny fomba fanatanterahana azy, ary indrindra ny nihandohan'io fomba io. Ho ahy dia misy antony ara-pilozofika, ara-tsosialy. ra-koltoraly eny fa nadia ara-pinoana aza ny fiheverana ny famadihan-drazana.3. Tsarovy fa amin'ny foko sasantsasany eto Madagasikara dia misy tsy manatanteraka velively io famadihana io kanefa dia samy malagasy. Noho ny antony ara-tantara sy fomban'ireo razana niandohany.Misaotra betsaka ary miala tsiny e.
Pages 1