1

Sujet: Teny anglisy

raha tianao ny hahafehy ny teny anglisy dia mianara teny malagasy ( afa tsy ny teny Betsileo ) tsara fa tena manakaiky ny teny anglisy tsara ny tenin-drazan-tsika ireto misy ohatra : malagasy : azonao?anglisy: as you know?malagasy: izany no tarigetrakoanglisy: that's my target hitanao fa marina ny teniko

2

Re: Teny anglisy

Marina tokoa fa misy fifanikaikezana ny teny malagasy sy ny teny anglisy noho ny tantaran'i Madagasikara(fahatongavan'ny finoana kristianina, fanjanahantany).Na izany aza anefa dia  ohatra vitsivitsy fotsiny ireo nomenao ireo.Inona àry ny fifandrifin'ny "andao handeha" sy ny "let's go"?Valiny tsy misy.Ary tsy io ihany fa hafa maro koa.Etsy andanin'izany ny fitsipika sy ny firafitry ny fehezan-teny dia lavitra ny tenin-tsika ny teny anglisy.

3

Re: Teny anglisy

Teny anglisy sy teny malagasy fiteny roa samihafa ireo samy manana ny firafiny ,ny voambolany,teny nindramina ihany no nentinao nanazavana azy,ary tsy tokony nomarihanao hoe (afa tsy ny teny betsileo sao hadinonao fa foko 18 isika nefa afaka miray hevitra ,tsara raha nambaranao hoe:malagasy iombonana.

4

Re: Teny anglisy

Ekena aloha fa ohatra roa ireo nefa azonao lazaina mazava tsara ve ny hevitrao?

5

Re: Teny anglisy

Misy marina ihany ilay voalazanao  fa saingy ny tsy tsikaritrao dia ny Betsileo eto Madagasikara no tena mahay teny Anglisy.

6

Re: Teny anglisy

Tsara ihany ilay hevitra narosonao saingy izao angamba no tsara itondrana azy. Andrianina aloha ny tenindrazantsika vao ny an'ny hafa e! Fa ny mahagaga ahy koa dia nahoana kay ny BEtsileo no navahanao?