isika rehetra eo ampitadiavana ny teny gasy madio mba tsy hiteny variaminanana na variaminakotry. Tsy mbola misy teny ôfisialy raikitra momba izay ilazana ny "ordinateur, computer" hatramin'izao."Solosaina" aloha no tolotra voalohany fa tsy "solontsaina", tsy mitovy ireo teny ireo. Ohatra solomaso, solonify, mety ho avy koa ny solosofina, solotongotra na solotanana ho an'ireo izay tratry ny aretina na ny baomba. Ny solomaso ohatra tsy manolo ny maso ange fa manampy ahita, torak'izany ny solonify manampy hitsako na hitsiky fotsiny.Ary tsy azo lavina fa manampy ny saina ny "ordinateur" na "computer". Ka aoka samy hanolotra fa ny fampiasan'ny maroanisa azy no itazomana azy na tsia. Raha tsy lanin'ny vavonintsika ary ny solosaina, ahoana raha atao hoe Oridia? Rehefa tsy hita izay aleha (ory dia), velomy ny Oridia dia midira ao @ iGoogle e!