1

Sujet: aterineto = online, en ligne

Misy namana be vazivazy ao @ ny serasera.org ao, (tandremo kanefa fa ny vazivazy mazána fototra ipoirana fahamarinana mitombona an),  nampiasa ny teny hoe Anterinety na Aterineto ilazana ny Internet. Mikaroka ny andikana ny "online" na en ligne" aho dia toa tsy mahasosotra ilay hoe "aterineto". Raha mandeha tsara ny milina sy ny sisa rehetra ao ambadika ao, eo no ho eo dia tonga eo ambany masonao ilay tadiavina, izany hoe aterina eto izany. Ahoana ary ny hevitrareo? Adihevitra aterineto?

2

Re: aterineto = online, en ligne

Manao aôna daolo,Tsara ilay fanamarihana fa efa tafiditra ao @ rakibolna malagasy ny teny hoe anterineto :"internet"

3

Re: aterineto = online, en ligne

tena mitovy hevitra aminao aho, tsara tokoa ilay hoe aterineto, ny imail indray na mel dia atao hoe imailaka, satria mailaka tsy misy ohatran'izany ny souris indray angaha tonga dia atao hoe totozy