Sujet: Lova Tatsinanana
Raha ny Lojika fotsiny no itondrana azy dia mazava fa:1)Ny fototra ijoroan'ny voambolana tenintsika dia tatsinanana(voambolana nindramina tamin'ny vahiny avokoa ny ambiny noho izany azo soloina na ny vao haingana na ny efa ela indrindra aza)2)Ny Tenintsika dia avy amin'ny Teny Mahaniana,izay no akaiky azy indrindra.Kanefa vitsy sisa ny fifanandrifian'ny voambolana:araka izany ,moa ve ny mahaniana no nivoatra haingana ka andalampidifiana,sa isika no nihataka ?Araka ny fandinihako azy dia isika no nitazona ny fiteny iombonana tamin'dry zareo taloha.Noho izany ny fitenintsika no reférence fa tsy ny azy.Ohatra:Ny teny hoe "uran:rura,walu etc "dia tokony ho lazaina hoe avy amin'ny teny Merina hoe orana,rora,valo etc.3)Soa noho izany ny nahatazonana an'io fiteny Merina io satria raha nijanona tany Asia daholo isika dia efa tsy nisy intsony ny fitenintsika tahaka izay!Raha maherin'ny 600 ny fiteny ao amin'ny fianakavian'ny Nusantara dia iray fotsiny amin'ireo ny antsika.Ka raha lasa mivoana tsikelikely isika amin'ny findramana fiteny vahiny dia hiafara toy ny fiteny Mahaniana koa ny fiteny Merina.Izany hoe tsy ho azo atao réference intsony any aoriana.Raha tsorina izany dia "dépositaire" n'ny fiteny(lova) nusantara iray isika ka manana andraikitra noho izany.