Sujet: vita gasy
Mahagaga sy mahatalanjona ny fihevitrin'ny namana Malagasy sasany. Ho an'izy ireo mantsy rehefa zavatra vita malagasy dia ratsy avokoa, ny vita vazaha ihany hono no tsara. Isika monina aty am-pita no tena betsaka manao izany rehefa mba mody na manao fialan-tsasatra any Madagasikara. Amiko dia tena fanaovana tsinotsinona ny maha Malagasy izany, betska ny zava-bita Malagasy no tsara, raha tsy hitehny afa- tsy ny lamba landy, ny kitapo hoditra , ny rary sy ny sisa isika. Ary matetika aza dia tadiavin'ny vazaha sy vidian-dry zareo lafo mihitsy izy ireny. Koa isika nanatera-kira indray ve ni hilaza tsy mahay mandihy. Aza tsinotsiniavina re ny taozavatra Malagasy fa mba manana ny hasiny sy afaka mifaninana amin'ny vita vazaha ihany ny akamaroan'izy ireny.