Sujet: batisa
tsy afaka atao batisa nyzaza mbola tsy matotra, i jesosy aza 30 taona vao nanaiky sy nekena ho@izany , inona no atao hoe batisa ?
Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches
Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.
Pages 1
tsy afaka atao batisa nyzaza mbola tsy matotra, i jesosy aza 30 taona vao nanaiky sy nekena ho@izany , inona no atao hoe batisa ?
" Avelao ny zaza hanatona Ahy ". Mba mila fanazavana avy @ rakoto azafady !!!!!
Ny olana dia ny ray aman-dreny no manery ny zaza hatao batisa dieny mbola kely ny zaza. Avelao ny zaza hanantona ahy fa tsy hoe tereo hankaty amiko ny zaza. Topkony ho rehefa tonga saina ny olona no manapa-kevitra ny hatai batisa na tsia.
Raha mpino protestanta FJKM ianao, dia azo atao batisa tsara ny zaza na dia mbola tsy mpandray aza.Ny batisa mantsy dia famantarana hita maso fa zanak'Andriamanitra ilay olona.Saingy izao, tsy ny ray aman-dreny no manolotra ilay zaza eny min'ny alitara ary tsy mankeny akory aza izy ireo.
Raha mpino Katolika indray ianao dia tsy maninona ny atao batemy na batisa mbola kely. Ny ray aman-dreny no manolotra satria tiany ho tafiditra fianakaviam-ben'ny mpino kristianina, dia zanak'Andriamanitraizany ny zaza, ary rehefa lehibe izy dia manamafy izany batemy noraisiny izany ka izany no anaovany "confirma-tion" indray, hanavaozany ampahibemaso sy efa vory saina ny toky noraisiny t@ batemy ary hijoroany ho vavolombelona fa Kristy kely izy dia manaparitaka ny Vaovao Mahafaly sy mijoro @ maha-kristianina azy @ sehatra rehetra misy azy. Satria ny fanahy dia mila tezaina, kolokoloina dieny mbola kely, mba hahazo aina sy hitombo mandra-pahalehibe.
Hoy i Penda "Tokony rehefa tonga saina ny olona no manapa-kevitra ny hatao batisa". Samy manana ny fandraisany ny dikan'ny batisa ny antokom-pinoana tsiarairay, na dia Andiamanitra iray aza no hivavahana. Heveriko fa ho anao ny batisa dia mariky ny fiovam-po mitranga eo amin'ny olona tonga mpino an'Andriamanitra. Izany no mahatonga anao hilaza fa tokony jo rehefa tonga saina (afaka mahalala tsara izay inoany) vao manapa-kevitra hanao batisa. Ho an'ny sasany anefa ny batisa dia mariky ny maha-zanak'Andriamanitra. Ary ny zanaky ny mpino dia zanak'Andriamanitra koa (izay no fampanantenan'Andriamanitra). Amin'ireo olona ireo dia ny batisa no misolo toerana ny famorana natao tamin'ny Jiosy taloha. Ary tamin'izany andro izany (mandrak'ankehitriny) dia ny zaza no foraina fa tsy ny lehibe (raha tsy hoe lehibe ilay olona vao niova finoana ka lasa Jiosy).
Tsotra dia tsotra ny batemy na ny batisa fa dia asarotina dia asarotina ery ! I Jeso Kristy na Jesosy dia natao batemy tamin'ny faha-30 taonany izany hoe olona vory saina sy tena mahalala ny ataony no manao izany fa tsy tokony ho kilalaon-jaza sy lasa cinéma izy io !
Ny hevitry ny batisa dia fanehoana ampahibemaso nu fanapahankevitra hanaraka an'i Kristy(hiara-maty @ Kristy Romana 6:4)_ fanapahankevotra ho @ fianambaovao. Ny fomba anaovana batisa di ao @ ranobe (onin'i Jordana)
Pages 1