1

Sujet: finday

Ny teny hoe finday (hatreto aloha) dia entina ilazana ilazana ny "téléphone portable", satria entina an-tanana, hono, ilay izy. Izaho manokana aloha dia tsy dia mampiasa io voambolana io saingy tsy mbola mahita izay tena ilazana azy aho ka manaiky izay misy aloha. Sofin-davitra no ampiasaiko rehefa ilaza ny "téléphone" aho.Am-pitiavana

2

Re: finday

finday dia teny avy any atsimon'ny nosy

3

Re: finday

ekeko fa teny avy any atsimon'ny nosy ny hoe finday fa tsy maha-dika ny  "telephone portable". Ny dikan'io dia hoe FITONDRA, kanefa betsaka ny zavatra afaka hoentina.Misaotra. Metimety kokoa aza ny hoe FIANTSO mba misy heviny mifanakaiky kokoa.Misaotra.

4

Re: finday

fiantsoana an-tariby tsy misy tariby. Hahavatra hiteny izany ve ianareo?

5

Re: finday

mahaliana ny tenindrazantsika

6

Re: finday

mahaliana ny hain-teny malagasy indrindra ohaolana satriko handinika azy ireo

7

Re: finday

Ny amin'ny tenin-dRanary dia heveriko fa tsy mety eto ny fampiasana ny fiantso. Ny fiantso mantsy dia hilazana fomba entina hanavahana ny anaran'olona na biby na zavatra. ohatra: I Soa no fiantsoko azy.Saingy kosa : tamin'ny finday (portable) no niantsoako azy( fa tsy fiantsoako azy)

8

Re: finday

nyando

9

Re: finday

Salama! Ka ianareo ihany aza eo no efa milaza fa finday=portable ka inona indray. Rehefa portable dia finday avokoa. Misy ny solosaina finday, sns... Ny olana eto dia ny ilazana ny telefona. Ka izay iantsoana azy tsy olana satria tsy misy izany ny teny malagasy. mirary soa