Sujet: Ny Tena FITIAVANA
Na tia tena aza ny olona dia mandainga izay milaza fa tsy manam-pitiavana ny hafa: "io fitiavana io no faribolana iray mampisaraka ny olombelona amin'ny natiora" Raha io fitiavana io no voakitikitika dia mety ahafoizan'ny sasany ny ainy mihintsy, ary raha ohatra aza voasakana na voasara-toerana dia vita ny mampitombina ny hoe "afo lavitra azo amindroana" TANTARANA MPIFANKATIA (Nifakatia tokoa izy ireo saingy noho ny zava-misy dia voatery nisara-toerana, ary taty aoriana dia somary nisy rahoraho kely na aloka sendra nandalo: tsy maintsy porofoin'ny mpifankatia fa tsy maharava ny fitiavany ny elanelan-tany) TOKY HO ANAO Mitakosin-drahomaintyn izato lanitra eny ambony Niha nanonjanonja fatratra Ny ranomasina izay tony Fa ny fitiavako anao safononoka hatrany Na dia tsy tsinjoko endrika any an-tany lavitra any Niha nalazo vety vety iretsy vony an-jaridaina Toa nanjary haizaim-pito misandratr'andro vao maraina Ny foko anefa sahy mivoady ary tsy miambakavaka Fa ny fitia izay nodradrainy dia ianao no tompon-daka Niha iva feo miandalana ny vazom-borona eny an'ala Ny danikandro mahamay nosoparan'ny fanala Fa ny fitiavako anao dia ny ho mandra-maty Ka soraty ho tadidy sy ho latsa-paka anaty Ny setrasetranao ry tany tsy hamoizako ny TIAKO Na ny ngidy na tomany hiaretako hiafiako Izahay voasara-toerana tsy maninona fa tantiko Fa ... raha sambatra izy any, dia mba faly ny ato anatiko Ndimbilaza!