1

Sujet: scripts vita gasy


Miarahaba indray e

Raha mpandrindra takelaka (Webmaster) ianao na te hanamboatra takelaka dia mahaliana ahy ny hahafantatra ny hevitrao.

Mieritreritra ny hizara "scripts" vita amin'ny PHP ny tenako, misy karazany maro :

- FTP (File Transfer Protocol) --> fomba ahafahanao mandefa ireo "fichiers" eto amin'ny INTERNET tsy mila logiciel hafa fa ny "navigateur"-nao ihany dia efa ampy..
- Module Newsletter ---> Ahafahanao milaza vaovao momba ny takelakao hoan'ny mpitsidika. Mahazaka izay isan'ny mpitsidika tianao izy io satria mandeha tsikelikely ny fandefasana ny imailaka.
- Ny mbola ho avy : "Webmail",  ilaina tokoa rehefa  any an-toeran-kafa ianao anefa tsy afaka mijery imailaka satria ao anaty solo-saina-nao ihany ianao no afaka mijery an'izany.

Miala tsiny indrindra amin'ny teny vary amin'ny anana fa tsy hitako mihitsy izay hamadihana azy ireo amin'ny teny gasy mazava

2

Re: scripts vita gasy

Ataovy milay ary ny scripts, dia ataovy amin'ny teny gasy daholo, ary ataovy maimaim-poana fa ho avy izahay haka.

OKay dia miandry izany izahay.

PS : aza atao be filirony be, fa ataovy mora ny fampiasana azy sy ny fampidirana azy ao anaty site web