Sujet: Fimailo, Kapôty
Nogasiana hoe "fimailo" hono ny "kapôty" satria mankarary sofina ny "maro" ny mandre ity farany.
Fa mankarary sofina ahoana? Ary firy isan-jato @ olona eto Gasikara izany "maro" @-ry zareo izany? Mba tiako ho fantatra, ho an'izay mahalala, izay ivon-toerana nanao izany fanadihadiana izany ka nahafahana niteny hoe "maro" no marary sofina.Matoa mantsy izy sahy mamoaka io antony io dia satria mari-pototra tsara ny fanadihadiana nataony ary koa mahasolotena ny mponina eto Gasikara (farafaharatsiny ny 50% ny olona nanaovana fanadihadiana).
Tsy voatery gasiana anie izao teny vazaha rehtra izao e! Ekena fa ilaina ny mampitombo ny voambolana malagasy fa izany "kapôty" izany angaha teto @tsika no nipoirany? Maninona raha avela @ io teny efa nomena azy teo aloha io ihany (kapôty) ilay izy. Hatramin'izay tsy naninona ka dia izao ve vao hankarary sofina? Sady tsy vao t@ ity taona 2004 ity anie ny "kapôty" no nampidirina teto e!
Mba saino kely ary ity: manomboka izao izany rehefa hiteny isika dia hanao hoe: "mba hanaovy fimailo iray!", "Izaho tsy hanao raha tsisy fimailo
an!!", "Dadabe a! io @ tany io misy fimailo efa niasa!!!" Ka tsy isaky ny miteny hoe fimailo ary ve ny olona iray, tsy ny dikany teo aloha hoe "kapôty" ihany ve no mitamberina ao an-dohan'ny olona hiantefan'ilay teny? Tokony hitandrina anie izany isika satria mety tsy ny sifna intsony indray no marary fa ny saina sartia ny saina tsinona no manao dikan-teny manao hoe : "kapôty" koh!
Amim-pahatsorana, iza @nareo no sahy hiteny fa tsy mba maneno ao an-dohany ao ny teny hoe "kapôty" isaky ny mandre hoe "fimailo" izy? Fantaro fa ny fanovana dikan-teny anie ka tsy ilaozan'ny izay fijerena ilay teny niandohany e!(kapôty) Ny dikan'izany tsy maintsy "marary" foana ny sofina na ho "fimailo" io na ho "fijanga" io. Sady io fahamenarantsika (fady, "tabou") io foana no tsy hampivoatra antsika. Isika te hitovy @ izao tontolo izao nefa ny toe-tsaina aza tsy mivelatra. Tsy afa-miala @ fanatontolona isika ka ny manaraka ny onjany no fanafodiny. Izany akory tsy midika indray hoe avelao ny fahendrena nolovaina t@ razambe. Fa tazony re izay mamy ary tadiavo izay mety hahasoa e!
Ka ataovy amim-piheverana sy am-pisainana re izy ity fa tsy entin'ny fo na ny fahamenarana fotsiny e!
© - RIJA