Sujet: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
Misy resaka momba ny "FIAVONAN'NY GASY ATY AN-DAFY" ao amin'ny Takelaka namana JEG: http://jegasy.free.fr/
Forum de Discussion sur Madagascar et Les malgaches
Vous n'êtes pas identifié Veuillez vous identifier ou vous inscrire, merci.
Pages 1
Misy resaka momba ny "FIAVONAN'NY GASY ATY AN-DAFY" ao amin'ny Takelaka namana JEG: http://jegasy.free.fr/
Miarahaba anareo rehetra ato ny tenako ary miarahaba an'i Stefana koa, betsaka ny zavatra saronan'ny sujet-nao io ary samy misy sokajiny avy.
Eo @ resaka hoe miarahaba aloha aleo tsy hifanome tsiny satria raha tahaka ahy vehivavy , tena manhirana ahy ny hiarahaba lehilahy, ary koa tsy hoe aty an-tany lavitra akory dia hifampiarahaba satria any madagascar anie ka sty misy olona mifampiarahaba izany eny an-dalana raha tsy mifankafantatra, nandalo tany dago aho miditra tsena, miarahaba olona aho vao miditra ny magasin manao veloma , farany tonga saina aho fa ny olona tsy mamaly ahy, hay kay tsy fombantsika gasy ny mifamiarahaba raha vao miditra tsena, ny fisaorana moa dia aoka fotsiny gaga aho kay ny gasy tsy mba misaotra fa dia azony ny entana dia lasa izy, ny mpivarotra no hitako misaotra ny sasany fa ny mpividy dia sauvage. Avadika indray ny resaka, efa ela no nipetrahako eto paris, milaza ny olona fa ny gasy provinces mifampiarahaba daholo, ny zavtara tsapako dia raha vao misy gasy avy any @ provinces dia tonga dia fantatra @ bikabikany hoe avy any @ provinces izy izay no zavatra hitako, fantatro daholo ny fomba fisainan'ny gasy ny eto manodidina ahy no resahiko fa tsy ny any @ provinces. Ny gasy dia fetsifetsy ka izany angamba no mahatonga ny olona tsy miarahaba gasy instony rehefa mahita gasy, nanana namana gasy betsaka aho saingy ny ahy ny namana dia misy fitsapana izany hoe minamana azy aho dia tsapaiko sy jereko eny ny totrany dia rehefa hitako fa tsy lasa dia misintaka aho, ary tsy resahiko intsony ilay olona. Ny gasy dia mahay miresaka , tsara resaka raha misy zavatra ilainy any aminao dia hainy tsara ny mandokandokanao, rehefa lasa mpianamana tsara iny izahako sy ry zareo dia iny @ izay hampidiriny tsikelikely ny problèmes-ny dia ianao entin'ny fahatsorana dia manampy , problèmes tsotsotra dia avy eo mihalasa gràve be , ampio izahay, adin'ny mpivady, mindrana vola, andrasana ny zanany, tonga misakafo ato amiko foana, tena lasa mi colle be e! kanefa tsy misy retour mihitsy fa dia izahako foana, tsy francs ny gasy e! , be fialonana, ny zavatra teneniny hafa tsy mitovy ny ao am-pony, raha mba misy zavatra mety mahasoa anao izany tsy hiteny anao mihisty izy fa raha misy zavatra mety hahasoa azy avy any aminao ataony daholo izay hevitra hazahoana azy. Ka izao ataoko fa tsy tokony hanome tsiny ianao ry stefana raha miavona ny gasy satria mety mbola tsy voadona ianao, ny ahy dia nanovako tri mihitsy, vitako mihitsy ny tsy niresaka tonga dia niavonavonako ireo namako fetsifetsy dia nahita lesona tokoa ry zareo, aleo tsy manana toy izay manan-dratsy hoy ny fitenenana, hofaranako ny teniko hoe aza asiana olona raha miavona ny gasy eto an-dafy satria misy antony daholo matoa ny gasy miavona toy ireny, leo izy @ hafetsifetsen'ny gasy ka aleony atao ohatran'ny olona rehetra eny an-dalana eny ny gasy . Tsara ny mailo ry stefana fa raha tsy mbola nahita ianao dia mandehana mipetraka @ toerana be gasy dia ho hitanao izany.
Veloma daholo dia bonne année à tous
manahoana!
tsy dia manana zavatra ambara betsaka aho fa miombokevitra sy misaotra an'i Keni fa dia vaozavanao tsara ny fandehan'ilay resaka.
Misaotra de any @ RNS Vichy mifankahita raha mankany ianao, izahya eto Clermont-Ferrand
sali ra steph an,
za alou vao haingana no teto paris, tam sept ah no tong, tany dago foana za h@zay, fa zao marina alou oe, tena ze oul mandalo v zany d tena arabaina tsy hainao na iza iza na iza, any amtanana aza zay tena tsy nisy nanisy sirany, d oe tena aty amdezaka zany d mifampila ranony, aok'etsy;
samy mavita matoa tonga aty, za zao tena koziko amnao fza tena migal ah, fza tsy mangataka tambiny zany ah, au fond nge hitanao fa mivaingana iany reny e, ny ah lou ra resaka avonavona zany, tena tsy mivaky la tety amzany ah, miresaka bon, tsy mresaka bon, io kou nge manahirana io resaka io f atsy tokony hipetraka tsony e, samy mavita d samy miala,
ny blem manko d koboko amzay, oe aty andafy zany d oe oul tena nahitahita daol tonga aty, ka aona no mifampisolelaka, tsy zany io, fa tena za zao oe tena andranto fenarana no tna natogavako taty, d tena nipitsihanle tena garant-ko za, tsisy bedy, fatako fa afaka miexiger ianyz a, nefa azoko tsara ny antony d tena niezaka nanamafy ny relation no nataoko. zay fa tena b kôzy za zany, zay ry keni fa six ah, tena azon'ny bandy fatarina v ny tena adresinao eto amtanana sa aona.
za zao tam tena roa volana zay, nahita any artiste olombelona tao gare du nord en plein correspondance zao; tena narabaiko lery oe mba oul malza , tena tsy nasianlery sirany ah, d ozy ah oe, adalako ny niarahaba fa tonya za mandalo jere ty ataony, six d courage daol e
Salut!marina daholo izany fa na dia tsy hiresaka aza mba mampiseho endrika mirana tsy midika anao mihintsy io hoe gvt sa ahoana? eny é! samy manana ny reviny io ka revena manja eny foana na tsy manja aza ts'isy hifanomezan-tsiny fa dia sur sur daholo
Mba efa isika vitsy aty lavitra aty ve dia zay hiteny hoe manao ahoana dia ahafaty, na tsy mahazatra aza izany any dago. na dia vehivavy aza ianao ny miteny manao ahoana akory tsy hanambany anao. Misy ko anefa ireo vao jerena dia mody fanina ka aleo tsy jerena akory fa maharikoriko. Ny olona taloha ihany ko anie no tena namorona ity hoe gvt ity hany ka ny ankizy ankehitriny ko no lasa adala toy ireo antitra tsy misaina ireo, mba manome lesona nefa izy ireo no tena tokony homena lesona.
aoka re azafady fa ny olona samy manana ny toe-tsainy e! ka aza sosotra amin'izany satria alaiko ohatra ,rehefa any dago ve ianao mba miharahaba gasy izay mandalo rehetra eo anilanao
izao no lazaiko anareo.marina fa hoe tsy mifampiarahaba tsika any dago.fa saingy kosa aty antany lavitra mba mahafinaritra kosa mahita gasy iray ao anatin ny tavany sy vazaha bede be.ka mba tsy mahatorana kosa ny mifampiarahaba na dia misy izany olana rehetra izany.sa ahoana hoy ianareo
marina mitsy kosa zany é, ny sasany zany d tena mody fanina, tena mahafaty v ilay mamaly tsiky é? amiko aloha tena tsy maninona mitsy zany hoé mitsiky é, vao mainka aza manalava ny andro hiainana , azo lazaina ihany tokoa ngamba hoé matoa koa zay aty an-dafy f hoé misy hatao daholo (ndrindra moa refa any amin'ny tanàna, zany hoé deba refa any amin'ny tanàna ngamba?) d zay no mahatonga ilay avona? tsy hoé izak'izay mandeha eny an-dàlana koa anié d hoé gasy daholo é, marina fa tsy mifampiarahaba tsika refa mifanena any dago raha tsy hoé mifankafantatra, mazava hoazy, atao ahoana ny hiarahaba zao olona rehetra zao? fa aty, zara raha mifanena amin'ny olona 10 ianao eny an-dàlana anaty iray andro, fa samy manana ny safidiny io é, ny ahy aloha tsy dia haiko loatra ilay miavona é, tena tsy zatra anzany ny tenanay
zava-misy no lazaiko: olona fantatry ny vadiko tany Dago, nifanena tany antsena(taty an-dafy io), nijanona ny vadiko hoe hiresaka satria taona maro² no tsy nihaonana, d nilaza lé olona fa malagasy hono izy fa tsy mahay teny gasy!!! pfffffffff
hafa indray:gasy 2 vavy nifanena tamiko, ny anankiray olom-pantatro, samy nijanona izahay nifanontany vao², d lé gasy anankiray sady nihodina no naka sisiny!! lol mampahonena lé toe-tsaina
olona hafa indray: ankizy mpianatra, hébergé tato aminay 1volana, nifanena tany am concert malagasy évangélique, d tsy fantatr'lé ankizy intsony 'zahay na ny niarahaba aza tsy nataony! mampalahelo ny toe-tsain-gasy sasany é
Tsy mitovy kosa ny oe mahita gasy mitovy @ tena any an tany lavitra any ao anatin ny reo fotsy hoditra maro b reo e sy ny rascisme ataon dry zareo reo , ka zay no mahatonga lay REFLEXE hoe refa mahita gasy mitovy tena dia miarahaba refa any an dafy any maneho endrika mirana, indrisy anefa fa maso mangarika no setrin zany, tsy lahy tsy vavy fa samy mitovy daolo, tsy voatery oe tsy maintsy angataka 1 EURO any am paosinao anie iny olona iny e fa endrika sariaka avy aminao fotsiny dé mety hanome courage an lé olona. Marina tsy azo lavina lé oe misy ny fetsifetsy sy mpananararaotra ary b fialonanana ka manao zay haminganana anao ndray aza, fa azy ny azy sy ny haratsiany. Fa ny mampalahelo koa anie dé tsika gasy koa lasa miova manaraka ny fisainan dry zareo vazaha koa ny fisainanatsika refa ela mipetraka any an dafy e ary tena RATSY, aiza moa koa hatrany am piangonana no aseho ny toetra ratsy, inona tsony moa zany no hivavahana, hifampihatsara ivela tsihy fotsiny.
aleo mba mifampiarahaba na dia loha mihetsika ary e.
tsika de matahotra be @ le hoe angatahina vola
tsy misy angataka any aminao eo fa mba mahafaly ny maita mpiray tanindrazana
isika malagasy tsy mba otan' ny hafa firenena na tsy mifankahalala aza de mifanampy indrindra ireto slamo ireto tena mifanosika a!
soa fianatra!
Pages 1