1

Sujet: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara

Ny tena gasy, ny teny gasy, ny tany Gasikara
Dia ho maty sa ho tsara ?

Ny tena gasy, ny teny gasy dia ho maty

Ny tany Gasikara dia ho lo sy hamarara

Raha sanatria tsy tsara vatsy ireo zanaka amam-para

Raha tsy lalim-paka anatiny ireo fomba izay fandala

Fihavanana, fifanomezan-tanana ary koa fifanajana

Adidin'iza ny mampita ny maha-malagasy antsika ?

2

Re: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara

Fa na izaho na ianao dia  samy mahalala
Fa adidintsika rehetra ny mampita
Fa Gasy isika ary Gasikara no tanindrazantsika
Koa aoka hifanampy ary tsy hifankahala
fa ny hazo tokana hono tsy mba ala

3

Re: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara


Miarahaba anao am-panajana aho,

Tena poety ianao ity ! Misaotra betsaka tamin'ny tononkalo fa tsara. Efa nahasoratra tononkalo maro ve ianao ? Mahaliana anao ve ny hiditra ato amin'ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France ? Raha mety mahaliana anao, manasa anao aho amin'ny Asabotsy 30 Avrily 2005 amin'ny 20h (valo ora alina) ho tonga ao amin'ny

FIAP - Jean Monnet

30, rue Cabanis

75014 - PARIS

Fanokana ofisialy io fotoana io fa mijoro ny fikambanana voatoniko etsy ambony io.

Mirary soa,

Ny Filoha lefitra,

EFJR

4

Re: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara

Ny mampalahelo anefa
dia maro ireo Gasy ny miantefa
Amin'ny fanadinoana ny niaviny
Sy manadino fiteniny

5

Re: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara

Ny mampalahelo anefa
dia maro ireo Gasy ny miantefa
Amin'ny fanadinoana ny niaviny
Sy manadino fiteniny