1

Sujet: fiangonana

Mba ahoana ny hevitrareo @ ireny fiangonana mikorotana ireny Moa ve afaka miady  ao an-trano Andriamanitra, ny mpiangona  Fa tany la Réunion , mantsy dia niseho io toe-javatraio

2

Re: fiangonana


Manahoana ianao,

Hadalana tanteraka ireny nitranga tany La Réunion ireny ary mety hahamenatra amin'ny vahiny nahatazana izany sy nahafantatra izany. Araka ny filazan'ny gazety dia ilay mpitandrina ato afara no nanakorontana fa te ho mpitandrina any La Réunion. Tombon-tsoa be izao no tena manosika azy hanala ilay mpitandrina talohany !

Mirary soa,

EFJR

3

Re: fiangonana

Alohan'ny hanaovana critique dia mba aloha manadihady fa aza manala-baraka olona. Ary iza izany gazety izany, lazao eto ho jeren'ny be sy ny maro !!

Tsy mahavanona anie ny manaratsy olona tsy misy porofo e !

4

Re: fiangonana

aza manaiky ampiasain'ny devoly reto a! fantatrarreo tsara ny voalazan'ny SM hoe An/tra tsy tompon'ny fikotranana fa tompon'ny fiadanana. Aza mandany andro amin'izany fa mazava io fanambarana io. Aza manamaritena e! Veloma ary mahereza daholo.