1

Sujet: fifanakalozan-kevitra amy samy malagasy monina eto frantsa

Miarahaba ny vehivavy malagasy rehetra monina eto frantsa ny tenako;Ramatoa TAHIRINIAINA prisca 21 taona.Raharahan-tokatrano no tena votoatindresaka tiako ifanakalozana aminareo,telo volana monja zay no nahatongavako teto frantsa:mananjanaka 1 sy mananambady frantsay 32 taona.Miaramiaina amireo fianakaviambadiko izahay telo mianaka, izany hoe: miara_miaina amy rafozam_bavy:mifanao ambony sy ambany rihana ary atsimo sy avaratra amireo zaobavy sy zaodahy.mandeha dia mandeha anefa ny resaka malgachisation izany hoe fanambaniana amy maha hoe malagasy ny tena sy ny hoe "interèt" sns... sns,noho izany niteny an'i vadiko aho hoe mba hadeha hifindra monina hiala ny tontolo misy ireto fianakaviany satria tsy zaka intsony...nisalasala izy eny sa tsia ny amin'ny enti-manana hiatrehana anizany,ny anabaviny nilaza fa manana zo hanakana ny fifindranay monina ilay rafozambaviko.Ny olana anefa dia ny fahasarotan'ny fitadiavana asa eto frantsa,ary ireo fikambanana milaza mba hanampy toa fihatsaram_belatsihy fotsiny no be asa lahy..! very hevitra arak'izany ny tenako ny mibahana ato antsaiko dia ny hoe hihemotra sa handroso hody antanindrazana sa hijanona eto antanin'olona dia ahoana anefa no hiafaran'ity zanakay? mety ve ny hahagasy azy tanteraka? ny fihevitrin'ny maro hono mahataka-davitra koa dia manantena vahaolana avy aminareo mpiray tanindrazana ny tenako.

2

Re: fifanakalozan-kevitra amy samy malagasy monina eto frantsa

tahiriniaina dit :

3

Re: fifanakalozan-kevitra amy samy malagasy monina eto frantsa

Miarahaba anao!
Rehefa namaky ny voalazanao aho dia misy zvt kely afaka ambarako ihany na dia tsy hahavaha tanteraka ny olana hatrehinao aza izany. Alohan'ny hialàna tao amin-drafozanao angamba aloha dia tsara mitady trano sy asa aloha vao tsara manapa-kevitra ny hiala tanteraka? Tsy mora ny mitady asa aty an-tanin'olona, eo ny vanavaham-bolokoditra, eo koa ny tsy fanomezan-danja ny diplôme gasy. Ka dieny mbola tanora ianao dia afaka manandrana itony atao hoe "formation en alternance" itony amizay sady mianatra no mandray vola kely. Ny tena tsara raha ny hevitro, dia mila fantatra hoe inona no tena hetahetanao @ resaka asa, mba tsy ahavery fotoana be loatra, afaka manao "bilan de compétence", sns izay afaka hitanao eto @ internet, na any @ Anpe koa mety misy zvt hafa tahak'izany, tsy andohavam-bola.
Raha momba ny fanakanana anareo tsy hifindra monina , dia tsy misy manan-jo afatsy ianareo mivady, "majeur et vacciné" hoy ny fitenenana, raha tsy hoe "sous tutelle" angaha , nefa na izany aza, aza adino fa ny teny hoe "liberté" dia tena tafiditra anatin'ny fomba fiainan'ny tsirairay aty Frantsa ary dia anjaratsika tsirairay no miady @ fiainana isan'andro mba hanajàn'ny olona izany zavatra saro-pady izany.
Raha vao 3 volana monja no nahatongavanao taty frantsa dia aza manary toky aingana loatra fa mety mbola ho lava ny fikirizana, moa koa mila asiana faharetana kely ihany. Fa ny fanapahan-kevitra kosa dia anareo mivady ihany, ny hoe handroso sa hiverina an-tanindrazana. N'aiza n'aiza aleha nefa dia hiatrika olana marobe ianareo.
Mahereza hatrany ary.