Sujet: SAINA FOTSY
BEzoro è.
Vao tafaverina avy tany ambanivahotr'i Toamasina sy Antsihanaka aho io. Ny antondiako tany: misahirana mandrafitra ny processus de paix eto Madagasikara.
Tsy maintsy ifanomezan-tànana ny fandaminana ity firenena ity.
Ambavahoana isika izao.
"Atsangano ny saina fotsy isan-trano !"
"Atsangano ny kilôty fotsy isam-baravarana ry andriambavilanitra, raha ilaina hampifandefitra ireo lehilahy miziriziry mifandrohitra ireo izany !"
"Mitondrà brassard fotsy eny andalambe mba tsy ho voadarodaroka fahatany intsony fotsiny !".
HAFATRA:
"Mifona, milela-paladia amin'ireo rehetra mafy be eto antanindrazana amin'izao fotoana izao.
AOKA IZAY.
Filaminana no ilaina, hanatanterahana fifidianana mangarahara.
Tokony ampiana araka izay tratra io fitondrana eo antoerana io hanatanteraka izay raharaha izay dia samy miala tsy misy rahoraho.
Avotsotra madiodio daholo rehefa gadra politika.
Tsy misy ilàna ny assises régionales raha tsy ny réconciliation nationale nodradradradrain'ny Filoha Zafy Albert aloha no tomombana.
Tokony samy andinika ny isan-tokony dia manomana antsakany sy andavany ny fihaonana imaso imason'ny filoha efa-tonta : Didier RATSIRAKA – Albert ZAFY – Marc RAVALOMANANA – Andry RAJOELINA.
Mifona milela-paladia, tompoko ô … !
Ny filaminantsika eto antanindrazana no manamora ny dinidinika ifanaovan-dry zareo samy maventy.
Ho an’ny filaminana,
ATSANGANO NY SAINA FOTSY !"
iKAKY ravahö.
Antsirabe 30 jona 2009.
vahombey@gmail.com
032 02 454 59
034 08 720 04