1

Sujet: Tunnel Ambohijatovo ... sao dia hirodana atsy ho atsy ?

Lalan'ny olona rehetra io tunnel io isan'andro kanefa toa ohatran'ny mahalasa saina ihany ny mahita an'ireo rano (maloto) mitete manaraka ny rindrin'io tunnel io, asa angaha na tsy laharam-pahamehana loatra izy io na ahoana fa raha sanatria ange ka mihotsaka tampoka io na dia ny ilany fotsiny aza dia ho loza tsy roa aman-tany no hiseho ao e !
Samy tompon'andraikitra amin'io daholo ny rehetra ary izany no mahatonga ahy hanoratra etoana. fa saingy misy kosa angamba hoy aho ny tompon'andraikitra mivantana azy io . iza ary izy ireo ? ary mba efa misain-tsaina ve ny mety ho fanamboarana azy io sa dia rehefa tonga indray ny patsa iray tsy omby vava vao hifanilika andraikitra etsy sy eroa ???
Atsipy ny tady eny antandroky ny omby... ary atsipy ny teny any ampon'ny mahalala ...

2

Re: Tunnel Ambohijatovo ... sao dia hirodana atsy ho atsy ?

Akory aby,
Miombokevitra aminao aho na dia miorimponenana aty an-tany lavitra aty. Marina tsy azo lavina ny eritreritrao fa hirotsaka io tunel ambanidia sy ambohijatovo io raha izao  toetran'ny mpitondra malagasy izao no hitohy. Mino aho fa ho lasa sahala amin'ireny trano ngezabe sy ny maro tsy voatanisa naorin'ny frantsay tamin'ny andron'ny fanjanahantany io tunel io. tsy misy fikojakojana sy rehabilitation. Tokony mba kojakojaina izay mba navelan'ny vazaha rehefa mahantra tsy afaka manamboatra isika. De tena mahamenatra mihintsy aloha ity toetran'ny gasy mpitondra antsika ao Madagasikara ity. Vao tonga eo amin'ny fitondrana dia ny paosy aloha no fenoina. Izaho aloha dia mahatsapa tena ho mahantra fadiranovana raha mbola mahantra-be otran'izao ny tanindrazako, na dia hoe manana ny ampy aza aho aty an-dafy aty dia tsy haiko ny hanadino an'ireo gasy sahala amiko miaina ao anatin'ny fahantrana lalina. Mba manao an'izay azoko atao ihany aho aty an-tanilavitra aty kanefa toa rano indray mitete ao anaty ranomasina ny fanampiana atoko anmin'ireo havana aman-tsakaiza. Koa dia atsipiko amin'ireo mpitondra ny teny ho fanamafisana ny voalazanao ry GEL.
Misaotra mialoha.

3

Re: Tunnel Ambohijatovo ... sao dia hirodana atsy ho atsy ?

Tsy mirodana izany io, fa raha mirodana io dia miaraka maty aminy Ra8, satria ao ambonin'io ihany ny tranony.